Politique

Naina Andriantsitohaina “Ho an’ny sosialy ny ampahany betsaka amin’ilay 80 miliara Ar ”


  • Alarobia 15 Septambra 2021

Naneho hevitra momba ny fitantanana an’Antananarivo ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina omaly taorian’ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ara-kolontsaina teo amin’ny CUA sy ny Fondation Hy.

 Nisy fiakarany moa ny tetibolan’ny Kaominina ho an’ny taona 2021 izay 80 miliara Ar eo, izay efa nolanian’ny Filankevitra Monisipaly. Ampahany betsaka amin’io no nambarany fa haompana amin’ny lafiny lafiny sosialy, misy ampahany lehibe, ny fotodrafitrasa tsy maintsy ampiana, ary ny asan’ny kaominina andavanandro tsy maintsy hatsaraina. Isan’izany ny resaka fako izay efa hita fa mandeha tsara saingy tsy maintsy hatsaraina, ny asan’ny SMA na dia vita tsara aza dia tsy hionona amin’izay fa mbola hampiana ny SMA, hampitomboina ny fanadiovana ny tanàna anatiny ka mbola hampiasa olona maro, hampitomboina ny mpanadio tanàna izay 300 izany amin’izao eto Antananarivo ary hiakatra ho 700 mialohan’ny faran’ny taona, hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Tsy maintsy miezaka satria ny tetibolan’ny kaominina tsy toy ny an’ny Minisitera hoe: ny vola efa eo, fa miezaka manatsara fampidiram-bola ao anatin’ny kitapombolan’ny kaominina. Anisan’izany, ohatra, ny “recensement” toy ny amin’ny trano izay natao mba ahafahana mampitombo ny hetra. Be loatra mantsy ny olona tsy mandoa hetra, ny 1/3 amin’ny tokony handoa hetra dia tsy mandoa afatsy ny hetra farany ambany 2000Ar, ary izay manam-bola no tokony handoa hetra fa ny olona sahirana mbola tsy hakana hetra loatra. Misy rahateo ny tetikasa ara-tsosialy atao amin’ny hetra.
RAHARAHA TAXI-MOTO
Mbola manantena ry zareo, fa hatreto, efa lanin’ny filankevitry ny kaominina ny tsy hanekena ny “taxi-moto. Ilaina ny nandalovan’izany tamin’ny mpanolontsain’ny kaominina satria izy ireo dia olom-boafidy avy amin’ny boriborintany, fokontany,... Marina fa manome asa ho an’ny olona ny taxi-moto, fa ny taxi ihany koa dia manana ny toerany, ary nilaza fa hanatsara ny asany. Eo ihany koa ny fimenomenonana hoe lafo loatra, fiara tsy manara-penitra,… ka hiezaka ny sehatry ny taxi sy ny CUA hanatsara. Ho hita eo rehefa mihatsara ny fifamoivoizana, ary raha ohatra ka ilaina ny famerenana ny taxi-moto hodinihina indray eo amin’ny filan-kevitra monisipaly”, hoy kosa ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina momba ny raharaha “taxi-moto”.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT