Politique

Naina Andriantsitohaina Hatao Filohan’ny Antenimierandoholona ?


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Misy resaka manomboka miporitsaka avy any amin’ny Etamazaoro politika sasany,

 

 

 

fa mety hotendrena ho senatera ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina, hatosika ho filohan'ny antenimierandoholona avy eo ; izy izay anisan’ireo olona tena akaiky ny filoham-pirenena, mpandraharaha manana ny maha izy azy ary anisan’ireo tena mpanefoefo eto Madagasikara.Ara-politika dia efa avy minisitry ny raharaham-bahiny izy mialohan’ny naha ben’ny tanàna azy ary teo anilan’ny kandida Rajoelina hatrany tamin’ireny fampielezan-kevitra 2018 ireny. Raha tanteraka izay dia hisy mazava ho azy ny fanendrena Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS hitantana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Mety vao mainka hitombo ny fahasahiranan’Antananarivo, izay ny nakana azy noho ny lanjany ara-politika no nahamaika, raha ho lasa loholona tokoa ny ben’ny tanàna. Re fa mbola misalasala sy sahiran-tsaina ny Filoha Rajoelina etsy ankilany amin’ny olona hapetraka eo amin’ny toeran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona satria tena stratejika be eto amin’ny firenena io. Ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra fa ny filohan’io Andrim-panjakana io no misolo toerana ny Filoha, raha mirotsaka ho kandida ho Filoha izy na misy ny antony goavana tsy ahafahany manatanteraka ny asany.

SAROTRA NY MITADY OLONA ATOKISANA

 Mitady olona atokisana hapetraka eo i Andry Rajoelina, saingy mitandrina mafy ihany koa eo anatrehan’ny mety ho famadihana ara-politika mety hiseho. Azo eritreretina ny mety hanendrena an’Atoa Naina Andriantsitohaina, ary tsy sakana ny maha olom-boafidy efa mitantana ny CUA azy. Efa fanaon’ny Fanjakana ankehitriny rahateo io, toy ny fanendrena depiote ho minisitra. Endrika iray maneho tsy fahamatorana ara-politika sy tsy fananan’ny mpitondra ankehitriny olona ihany koa anefa, fa miodinkodina eo hatrany ny toerana sy ny andraikitra ambony, ny eo ihany no avadibadika. Lasa aretina politika eto amin’ny firenena ary tsy vaovao intsony ihany koa ny mahita mpamadika isaky ny mihetsika satria ny politisianina eto amintsika rehefa tonga eo amina toerana ambony, dia te handingana sy handrefy ny olona nametraka azy rehefa mahazo tsirony. Ny lehibe ihany koa mety tsy hahatoky ny valerany, ka dia mifampiahiahy eo. Variana amin’ny kajikajy avy eo ka adino ny tena iraka, dia ny fampandrosoana firenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT