Politique

Nailika i Vital Nandriandrianina i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010

Sabotsy 11 desambra misandratrandro, nambara tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny didy mampanan-kery ny lalàmpanorenana vaovao hitondrana an’i Madagasikara rehefa avy nosoniavin’i Andry Rajoelina ary nasian’i Christine Razanamahasoa tombokasem-panjakana.

Rehefa izay dia nihazo an’Anatirova hamerina ny tantara (?) i Andry Rajoelina mivady, fa tsy afaka ho tia ny tanindrazana, hono, raha tsy mahalala ny tantara. Dia nisalotra fanamiana toy ny fanaon’ny Mpanjaka fahizay izy roa. Naverimberina rahateo fa mifanandrify amin’ny faha-400 taona nanambaran’Andrianjaka, Mpanjaka, tamin’izany (1610) ny tanàna ho Antananarivo ity 2010 ity. Dia nizotra an-tongotra avy eny an-dRova nihazo an’Analakely notronin’ireo “arivolahy” miaramila tamin’izany … Raha azon’i Andry Rajoelina mivady natao dia nolanjaina mihitsy izy ireo niala avy eny ambony eny nidina tao Analakely. Fa na izany aza dia mivandravandra tao anatin’ireo seho rehetra nitranga iny sabotsy 11 desambra iny ny fanindraindrana ny resaka fiandrianana sy ny foko. Mifanipaka tanteraka amina firenena manana sata repoblikana. Mametra-panontaniana ny any amin’ny Faritra ny amin’izay tian’i Andry Rajoelina hahatongavana marina.

Lasa lavitra mihitsy aza ny an’ny sasany milaza fa tafiditra anatin’ny vela-pandriky ny Frantsay i Andry Rajoelina ary dia mananontanona ny ady an-trano eto. Zavatra vitsivitsy nitranga tamin’iny 11 desambra iny no mety hanamarinana izany. Ny firenena manana sata repoblikana dia midika fa fanjakana iaraha-mitantana, mametraka mazava ny fisaraham-pahefana ary manaja ny manjakavahoaka. Raha ny fidirana teny Anatirova sy ny fisehoana rehetra nanodidina izany nandalo an’Analakely nipaka teny Mahamasina anefa dia te hilaza ankolaka i Andry Rajoelina fa izy no mandidy ary izy no manapaka, toy izay efa noteneniny tao Iavoloha nanoloana ireo mpanao politika ao amin’ny Herin’ny Fanovana ny 03 septambra 2009, raha nandrasan’ny mpanelanelana amin’ny krizy ny valin-teniny rehefa nitsefotra ny Maputo II.

Fitokanana ny Lapan’ny Tanàna moa no anisan’ny nanamarika io 11 desambra io, ary nambara fa hatolotra ny mponina Antananarivo ny trano. Raha ny lojika dia nisy marika, toy ny lakile, izay fanao, tokony ho natolotra saingy tsy nisy an’izany. Amin’ny lafiny iray dia toa manome tsy mahafoy, azo itarafana ihany koa anefa fa izay tiany ihany io. Nasiana takela-bato manamarika ny fitokanana koa ny trano. Voasoratra mazava ao ny anaran’i Andry Rajoelina, filohan’ny fahefana Avon’ny tetezamita. Nodinganina kosa ny an’i Camille Vital praiministra fa nasolo ny an’ny Ministry ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrianainarivelo Hajo. Inona no antony ? Nitondra anjara biriky maventy tamin’ny anarany manokana ingahy ministra ? Ho an’ny maro dia taratry ny fandrangarangana resaka foko io.

Nanampy ny azy ireo ny anaran’ny PDS Razafindravahy Edgard sy ireo mpanolotsaina monispaly, tsy notanisaina anarana, sady tsy voafetry ny fotoana. Lafin-javatra manaraka dia tapaka tsy mitohy toy ny teo aloha intsony ny lalana, ilany avaratra, amin’ny araben’ny fahaleovantena. Tsy nakana fanapahana teo anivon’ny Kaominina sy ny Filankevitra monisipaly akory io nefa manova endrika ny tanàna, fa dia nandidy nanapaka samirery tsy ankiera ny tao Ambohitsorohitra. Zavatra iray loha mba marihina ihany koa dia hatramin’ny 4 janoary 2010, ny PDS Razafindravahy raha nidina nandamina tsena no efa nampiomana ny hankalazana ny faha-400 taonan’ny tanànan’Antananarivo. Sempotra ara-bola ny Kaominina dia tsy nahavita nanomana io fankalazana io, ka dia notsoriahan’ny FAT ny fankalazana, ary i Andry Rajoelina indray no toa naka ny toeran’ny PDS tamin’iny sabotsy 11 desambra iny, fa difotra zara raha hita tery ny Kaominina sy Razafindravahy Edgard. Raha tombanana amin’ireo tranga vitsivitsy ireo dia tsy vitan’ny mandrangaranga Foko i Andry Rajoelina fa mbola maneho koa fa izy no mandidy ary izy no manapaka, hamerina ny tantara, dia ny manjakatokana.

Jean D.
 
Sary : Andry Rajoelina mivady nandalo an’Analakely ny sabotsy 11 desambra 2010 (sary : Rakotobe Michel)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT