Politique

Nahitsy ny HCDDED “Misy manipy hoditr’akondro ny fitsarana”


  • Zoma 20 Novambra 2020

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny foiben’ny filankevitra ambony momba

 

ny demokrasia sy ny tany tan-dalana etsy Soanierana omaly ny fivoahan’ny andiany faha 8 amin’ilay gazety boky iarahan’izy ireo mamoaka amin’ny mpanao gazety dia ny “Demokrasia” izany. Ny endrikendriky ny fiarahamonina an-dalam-pandrosoana toy ny eto Madagasikara, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny HCDDED, Navony Pierre Lenoble, no tena mivoitra anatin’izy ity. Ny zava-misy dia sahirankirana ny fitsarana. Mbola misy manipy hoditr’akondro koa ao fanampin’izay ary misy mamingana amina zava-dehibe. Mivoaka isa-telo volana ny gazety boky ary ao anatin’izay dia ahitana fanetriben’ny firenena. Ny kolikoly izany. Raha atao kisary io dia tafiditra ao ny olona rehetra toy ny olom-boafidy, voatendry, tomponandraiki-panjakana, ny tantsaha sy ny rehetra. Hanarina ny firenentsika isika izao taorian’ny fandalovan’ny Covid 19. Mila fitandremana sy fanjakana tsara tantana isika ahafahana miara-manavotra ity nosy ity. Ahitana ny hetahetanay manoloana ny raharaham-pitsarana izay ahitana sakantsaka marobe ao anatiny koa ity. Sosokevitray ny fialana amin’ny kolikoly sy fametrahana fitsarana matanjaka sy eken’ny rehetra. Tokony ho voafehin’ny lalana ny rehetra ary tsy ekena intsony izany fitsarana voavidy vola izany. Mangataka lalàna hentitra ny HCDDED momba ny fanolanana. Toy ny adino koa mikasika izay resaka zon’olombelona izay hatrany ny kere any atsimo. Antso avo ny aoka hitambatra ho iray ny feo fa tsy hitsitokotoko anaty politika ho fanavotana ireo mpiara-belona ireo, hoy hatrany ny HCDDED.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT