Politique

Nahazo ny kianjan’Alarobia ny Ankolafy Telo Raikitra izany


  • Alarobia 08 Desambra 2010

Taorian’ny nampidirana am-ponja an’Atoa isany Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary ny pastera Tsarahame Edouard, isan’ireo mpitarika tao amin’ny Ankolafy Telo dia toa nangingina ny hetsiky ny mpomba ireo filoha teo aloha satria nogiazan’ny mpitandro ny filaminana ny kianjan’ny Magro Behoririka ary norahonana hosamborina avokoa izay manohitra ny FAT nandritra ireny vanimpotoan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ireny.

Niaka-nidina teny amin’ny prefektora ireo mpitarika ny hetsika nangataka alalana hahazoana maneho hevitra ankalalahana ary tontosa izany amin’izao fotoana. Araka ny taratasy nosoniavin’ny prefektora ny alatsinainy 06 desambra 2010 dia afaka mampiasa ny kianjan’Alarobia hanaovana famoriam-bahoaka ny mpomba ny Ankolafy Telo anio alarobia 08 desambra manomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva.  «Miantso ireo vahoaka Malagasy tsy ankanavaka sy ny hery rehetra izahay mpikarakara ho fanehoana fa tsy ekena ny fanitsakitsahana ny zon’ny Malagasy sy ny fampanjakana ny hevitr’olon-tokana miampy ny jadona”, hoy ramatoa Lalatiana Ravololomanana, nitondra teny.

Nampiany fa tsy izao zava-misy izao mihitsy no ahafahana miroso mankany amin’ny Repoblika faha-4 ka tsy hangina mihitsy ny tenany raha mbola voahosihosy ny zo maha olona eto amin’ny firenena ary raha tsy mipetraka ny tetezamita iarahana, ary raha tsy mivoaka avokoa ireo gadra politika rehetra nandritra izao fitondrana FAT izao. Fiaraha-misalahy amin’ny OMC ny fitandroana ny filaminana raha ny fanazavany ihany ka ny Ankolafy Telo no miantoka ny filaminana anatin’ny kianja fa ny OMC kosa ny any ivelany. Ny kianjan’ny Malacam moa no nangatahana saingy noho ny fisian’ny fifaninanana ara-panatanjahantena eny an-toerana amin’ity anio ity sy ny fanomanana ny fitokanana ny lapan’ny tanàna araka ny taratasy avy amin’ny prefektora hatrany dia nalefa eny Alarobia ny Ankolafy Telo.

Sary : Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT