Andro faharoa tamin’ny fandalovan’ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, tao Antsirabe ny sabotsy teo.
Natomboka tamin’iny ihany koa ny fizarana Vatsy tsinjo ho an’ireo mponina ao an-toerana. Olona miisa 1000 moa no nampisitrahana izany tao amin’ny tokontanin’ny ACMIL Antsirabe. Nampahafantarin’ny filoha nandritr’io fotoana io ny fisian’ny tetikasa natao hampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana amin’iny faritra iny. Nampirisihana hirona bebe kokoa amin’izany moa ireo mponina ka hisy, hoy izy, ny fanomezana tany sy fampiofanana ireo fianakaviana vonon-kiroana amin’izay fambolena sy fiompiana izay. Ny fampiasan’ireo fianakaviana nisafidy izay lalana izany mandritry ny 5 taona dia hahazoan’izy ireo ambongadiny ny tany ho hajariany, hoy ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.