Tsy dia manan-tsafidy loatra ny fitondrana Rajoelina, fa toa voafatotra tanteraka amin’ny lafiny maro.
Efa nitondrana famakafakana teto ny fahatarafana endrika geja noho ny resaka vola sy trosa niainga tamin’ny fifanarahana avo lenta hatrany am-piandohana na ilay antsoina hoe: “deal”. Mety ho tambin’ny fanohanana ara-bola na ara-politika io, kanefa fiantombohan’ny geja ho an’ilay Fanjakana, mety ho famarotana tanindrazana mivantana na ankolaka no setriny, mety ho famelana ny fanjakazakana amin’ny alalan’ny fangoronan-karena tsy ara-drariny sy afera maloto samihafa. Niharihary io nanomboka ny 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana kanefa ny nanonganana ny Fitondrana Ravalomanana tamin’izany no miverina mahazo laka avo zato heny angamba. Nopotehina sy potehiny ny mpandraharaha Malagasy ka manao ny ataony ny karana ankehitriny, mifehy ny toekarena, ny vidim-piainana,… saingy tsy afa-manoatra ny Fanjakana Rajoelina. Ankoatra ny tsy fahaizana dia voafatotra tanteraka. Natsangana ny SPM (State Procurement of Madagascar) ny novambra 2019, fa hanafatra mivantana ireo entana ilaina andavanandro (PPN) hialana amin’ny fanararaotana io orinasam-panjakana io. Ekena fa mety misy ny ezaka amin’ny vary sy simenitra saingy tsy ampy izany. Raha vary izany anefa, tsy tokony ho mpanafatra isika fa mpanondrana raha tena mahay sy mahalala ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny Fanjakana, ka nametraka paikadim-pamokarana mahomby. Vary ihany no atao hoe PPN ? Nisy resaka solika sy ireo entana ilaina andavandro samihafa tamin’izany fa moa mahohavoka ny Fanjakana? Tena afaka miasa an-kahalalana ve ilay SPM ? Moa tsy ny karana akamakama sy ekipany no tompon’ny fanalahidy? Tsy tena mahavita mijery sy mamaha ny olan’ny vahoaka.
TAKALON’AINA POLITIKA
Ara-politika, voagejan’ny fifanarahana samihafa ihany koa. Mivadika ho politikan’ny fiaraha-mihinana ny fiaraha-mitantana. Malemy ara-politika ny Filoha sy ny ekipany, ka miezaka manambitamby ireo ekipa politika tany aloha nahatsiaro ho natao tohatra fiakarana. Isan’ireny ny antokon’ingahy Norbert Lala Ratsirahonana izay nimenomenona tany aloha, ka dia nomena herintaona sy tapany tsy hahataperan’ny fe-potoana iasan’ny Filoha. Ny hafa tsy azo kitihina sao hamongotra satria milalao ny hoe: “faritra nahazoana vato”, ka zary tsy ny vokatra sy ny traikefa no hitsarana azy fa amin’ny maha namana sy akama, ary misy ny ahiana hamadika. Tsy ny soa ho an’ny vahoaka no ambony, fa ny soa ho an’ny akama. Toa miainga amin’ny kapoakan’ny mpitondra aloha vao vahoaka satria ny afera mandeha, ny kolikoly miakatra ny daoziny, fa ny Malagasy kosa miha fadiranovana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.