Politique

Mpitondra tsy mahavita azy Rakotra olana sy fitakiana ny firenena


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Manao tohivakana ny olana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Tafiditra ao anaty krizy lalina vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena.

Ny covid-19 sy ny ady any Ukraine no atao fialana bala lava, saingy raha nahay nitantana sy nijery ny tokony ho laharam-pahamehana ny Fanjakana Rajoelina tsy ho tahaka izao mihitsy ny fiantraikany. Samy niatrika coronavirus ny firenen-drehetra, fa nanana drafi-panarenana ara-toekarena mafonja ny firenena maro, raha toa ka drafi-pangoronan-karena no toa nataon’ny mpitantana teo raha tarafina amin’ny raharaha ahiana ho nisy kolikoly goavana maro tamin’ny fitantanam-bola azo tamin’ny iraisam-pirenena. Na ny vahiny aza nitaky tatitra sy mangarahara. Iny indray fa nirefotra ny ady any Ukraine, saingy nialohan’izany, mbola nireharehana ny resaka fanafarana entana avy any an-dafy, fa tsy afaka vary roa taona vao miakatra, hoy ingahy filoha. Nanatsahatra ny fanondranany na nampiakatra be ny sandan’izany ny firenena maro, dia izao ny vokany. Io ihany koa ny resaka solika izay hatrany amin’ny novambra 2019 no nireharehana ny fananganaa ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) nambara fa hanafatra entana ilaina andavanandro, hanafatra solika,… mba hialana amin’ny fanararaotana sy ny tombony mihoampampana saingy ankoatra ny olana ara-lojistika, dia tsy manam-bola amin’izany intsony ny Fanjakana Rajoelina. Io gidragidra io ny resaka trosan-tsolika tsy voahefan’ny Jirama, lasa sazy ho an’ny vahoaka noho ny tsy fahampian-tsolika satria na ny banky iraisam-pirenena aza efa mandrara ny fanaovan’ny Fanjakana “réquisition”. Feno olana ny sehatra ara-panjakana. Ny CNaPS ahiana ho banky ropitra noho ny fitantana tsy mazava. Ny fampianarana grevy etsy sy eroa noho ny vola sy karama mitarazoka. Ny resaka ara-pahasalamana io iaraha-mahita io ny grevy fampisondrotan-karama miantraika amin’ny tontolo ara-pitsaboana. Ny tontolon’ny diplaomasia tsy mbola nisy hoe: nanomboka teo amin’ny roa andro tsy hankalazana ny fetim-pirenena no nanomboka ny grevy hatramin’izao. Ny CNAPMAD ao anatin’ny fanontana ny laza adina sy fiomanana amin’ny fanadinam-panjakana no nisy grevy fitakian-karama. Ny mpitsara fanadinana ireny niaraha-naheno ireny omaly ny fanambaran’ny tetsy amin’ny Lisea Maoderina Ampefiloha fa tsy hitsara BEPC noho ny tambin-karama tao anatin’ny roa taona mbola tsy azo hatramin’izao. Ny mpanao làlana roa taona tsy mahazo ny volany ankamaroany, harirarira lava, tsy ampy antsasa-manila no mety hahazo ny volany. Ny mpandanja fiara vao tsy ela no nigrevy eo anatrehan’ny fikasana hanomezana asan’izy ireo ny tsy miankina. Lazaina fa tsy mampidi-bola sy tsy nomena karama am-bolana maro, migrevy vao mahazo valin-kasasarana,… kanefa mampiditra manodidina ny 300 miliara Ar isam-bolana raha ny filazan’izy ireo. Endrika isehoan’ny tsy fahaiza-mitantana firenena ireny, Fanjakana tsy mahavaha olana no eto, seho ivelany no betsaka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT