Politique

Mpitondra sy ny vahoaka Mila mifampatoky


  • Zoma 15 Mey 2020

Raha tarafina amin` ireo fanehoan-kevitra etsy sy eroa na amin`ny haino amn-jery na koa amin`ny tambajotra serasera dia miha marefo ny fifampitokisana eo amin`ny mpitondra sy ny vahoaka.

 

Miverimberina hatrany ny hoe “ratsy mpanolotsaina ny filoha”, “tsy mahay maka lesona”, “tsy matotra amin`ny fanapahan-kevitra”… Tsy lazaina intsony koa ny amin` ireo manararao-pahefana hangoronan-karena hita etsy sy eroa. Tokony ho matotra amin’izay zavatra lazainy ihany koa ny mpitondra fa tsy miovaova hevitra. Mbola vary mangatsiaka ny fanatanterahana ireo velirano na dia misy aza ity aretina mandoza ity izay tsy atao fialana olana. Misy tokoa ireo vola voatokana nomena hoentina hiadiana amin’ny aretina ‘coronavirus’ avy amin’ny rafitra iraisam-pirenena toy ny OMS sy ny Banky iraisam-pirenena. Tsy tokony io vola io no entina hampiharana ny politikam-pitantanan’ny fanjakana, amin’ny ady amin’ny fahantrana, hirosoana amin’ny fivoarana. Raha ny fahamarinana no voahosihosy dia tsy hahasoa ny firenena anefa. Raha mampisalasala ny lazaina dia aza gaga raha misy ny tsy mety manaraka izay lazaina ny vahoaka fa tsy hoe mafy loha akory.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT