Politique

Mpitondra Malagasy Ataon'ny olona tsakin'ady fotsiny anaty fifampiraharahana


  • Alatsinainy 20 Jona 2022

Tonga amin’ilay fomba fiteny hoe: tsy ambony tsy ambany tahaka ny lohalik’alika ny Fanjakana ankehitriny amin’ny resaka adihevitra sy fifandresen-dahatra amin’ny mpamatsy vola.

Fitondrana tsy manan-kambo ihany koa, tsy arakarakaraka ny vava be natao fa tsy hampandroso na amin’ny 2030, 2050, 2060 raha miantehitra amin’ny mpamatsy vola mahazatra, ary rehefa Rajoelina no dia isika indray no hampindram-bola an’i Kaomoro rehefa izy no Filoham-pirenena. Inona anefa no niseho tato aoriana, ireo nambara fa mpiara-miombon’antoka naseho tamin’ny propagandy na nialohan’ny propagandy, saingy toa sary iray mipika. Nolazaina fa efa niomana 4 taona Atoa Rajoelina ary vonona ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika? Mailaka amin’ny fakana sary miaraka amin’ny mpamatsy vola ny Fitondrana ankehitriny, saingy tsy dia mahita vokatra firy? Ireo tohana sy famatsiana mikasika ny maha olona no tena betsaka, ary zavatra efa nisy hatramin’izay ny ankamaroany. Maro ihany koa ny tetikasa izay ny Fanjakana teo aloha no angady nananana sy vy nahitana izany, raha tsy hilaza afatsy ity làlam-pirenena faha-13 vao fanombohana dia efa nandaniana vola an-jatony tapitrisa maro nanaovana seho ivelany. Ny sehatra mpiara-miombon’antoka no mitazona ny ain’ilay Fanjakana satria maivana any amin’ny resaka fifandresen-dahatra, tsy tena mahazo vokatra firy. Henjanin’ny mpamatsy vola any amin’ny fepetra momba ny vidin-tsolika, tsy atokisana ka ampanaovina “contrat de performance” mialohan’ny hivoahan’ny famatsiam-bola amin’ny resaka rano fisotro,… Tsy omen’ny olona famatsiam-bola firy satria manodidina ny 1 miliara dolara isan-taona eo ihany no famatsiam-bola azontsika, izay fampiodinan-draharaha sy tetikasa momba ny maha olona sisa no tena mandeha.

FANDAHARAN’ASA TSY MAZAVA
Ny fandaharan’asan’ny fitondrana tsy marin-toerana sy tsy fantatra firy hoe: inona? IEM ve? PEM ve? Velirano ve? Nisy ny fifandresen-dahatra tamin’ny mpamatsy vola momba ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) ny febroary 2021, saingy tahaka ny voatsipaka ambavafo. Ny PMDU (Plan Multisectoriel d’Urgence) no nambaran’ny mpamatsy vola fa hotohizana hatramin’ny jona 2021, ary nolazain’ny Fanjakana fa aorian’izay tonga dia mitohy amin’ny PEM. Ny febroary 2022 vao hoe: nitady manam-pahaizana handahatra ny laharam-pahamehana sy hanamora ny fitadiavana mpamatsy vola. Raha miverina amin’ny MAP (Madagascar Action Plan) izay 8 miliara dolara eo ny vola hoenti-manatanteraka azy, efa nahita manodidina ny 4 miliara dolara ny Fanjakana Ravalomanana, nahatoky ny mpamatsy vola. Mafy tamin’ny fifandresen-dahatra na “négociation” izany Fanjakana Ravalomanana izany. Ny an’ity Fanjakana ity kosa tsy hita izay niafaran’ny fandaharan’asany. Ny firenen-kafa lasa ihany, tahaka an’i Côte d’Ivoire, izay nankatoavin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) ny famatsiam-bola 26 miliara dolara hanatanterahany ny “Plan National de Développement”, izay midika fa mafy amin’ny fandresen-dahatra ny filohany, Fonksionera ambony teo anivon’ny FMI rahateo i Alassane Ouattara,… Aiza ho aiza amin’izany ilay Fitondrana Rajoelina nilaza fa ho sangany aty Afrika sy hanavotra izao tontolo izao? 400 tapitrisa dolara ho an’ny 2023 hatramin’ny 2028 no hireharehana. Voatery mitady fifampiraharahana amin’ny Arabo saingy inona no ho tambiny fa tsy hampiasa vola fahatany aty ireo ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT