Miezaka mafy misakana ny mety hisiana hetsika politika eto amin’ny firenena ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Nosakanana ny hetsiky tamina toerana manokana tsy miankina tany Mahajanga, ary rakotra mpitandro filaminana ny tanàna.
Nofoanana ny hamehana ara-pahasalamana, fa rarana ny fahafahana mamory vahoaka mihoatra ny 200. Ny Filoham-pirenena sy ny ekipany anefa afaka manao famoriana olona, tsy misy fanajana fepetra, ary ny filoham-pirenena aza manao mpitari-bato vilam-bava tsy manao arovava indraindray. Tsy resaka fisorohana ny valanaretina sy fampanjana fepetra mazava ho azy no handrarana ny hetsika famoriam-bahoaka, fa tena tahotra ara-politika? Inona no atahoran’ny fitondram-panjakana ankehitriny? Angaha tsy efa mahatsapa tena ho tena miasa mafy sy mitsinjo vahoaka ? Tsy hanan-tahotra amin’ny ampamoaka politika sy ny hetsika samihafa ataon’ny mpanohitra ny Fanjakana, raha tena mahatoky fa “mamim-bahoaka” sy miasa miantraika amin’ny sosialim-bahoaka, fa tsy miaina amin’ny kajikajy politika. Rava ho azy sy tsy misy mpihaino ny hetsiky ny mpanohitra raha toa ka tena mahatsapa ny vahoaka fa miasa sy mahavita azy, ary tena mahavaha olana ny fitondrana Rajoelina. Matoa anefa mandrara mafy, manenjika mpanohitra, managadra, mandrahona,… dia endrika tahotra izany. Mihamaro rahateo ny bala eo am-pelantanan’ny mpanohitra eo anatrehan’ny amboletra sy ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna, ny afera maro samihafa nahasaringotra tompon’andraikitra ambony,… Maro ny olona ambony eto amin’ny firenena no tsy mahatoky tena intsony, matahotra ny hotsaraina amin’ny natao, ka misy ny efa mitady zom-pirenena hafa sy mangataka hialokaloka any ivelany raha sanatria misy ny fipoahana ara-politika eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.