Politique

Mpitondra fanjakana Mifankahafantatra dosie ka tsy sahy mifamely


  • Talata 01 Martsa 2022

Mangina tanteraka ny tohin’ireo dosie goavana nahasaringotra olona ambony, izay nivadika ho raharaham-panjakana.

Nampanginina ny « bonbons sucettes » 8 miliara Ar tamin’ny andron’ny covid-19 na niafara tamin’ny fanesorana minisitra aza. Nangina ny resaka « écrans plats » 216 tapitrisa Ar izay ahiana ny kiantranoantranon’ny Minisitry ny atitany teo aloha sy ny vadiny. Nanao ampamoaka ny mpiasan’ny tsenam-panjakana (marché public) tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, fa 730 tapitrisa nandokoana hopitaly manara-penitra miisa 7; 980 tapitrisa Ar no nanaganana "centre de transplantation rénale" ao amin'ny CHU Andohatapenaka ka dosie hosoka no nampiasana; volan'ny minisiteran'ny fahasalamana 44 miliara Ariary no nalaina ary tsy naverina manontolo ny taona 2020,… Toa nanamarina ny tsy fangaraharana momba ny fitantanana ny 440 tapitrisa dolara na 1818 miliara Ar ny Fitsarana misahana ny kaonty. Ny mahagaga, mangina tanteraka ireo dosie goavana samihafa. Ny rafitra mpanadihady sy mpitsara anefa efa mipetraka daholo : Bianco, SAMIFIN (sampan-draharaha miady amin’ny famotsiam-bola) miantsoroka ny ady amin’ny famotsiam-bola, ny ARAI (Agence de recouvrement des avoirs illicites) miantsoroka ny fanagiazana ireo harena sy fananana azo tamin’ny tsy ara-drariny, ny CSI (Comité pour la Sauvegarde de l’Integrité), ny PAC (Pôle Anti-Corruption) mitsara ny raharaha kolikoly avo lenta,… Mitarazoka na tsy misy ny fanadihadiana, ary boriboriana amin’ny hoe : «Efa mandeha ny fanadihadiana ».
MIFANKAHALALA AFERA
Olona ambony no voatonontonona, saingy tsy sahy mifampikitikitika satria tombanana ho mifankatahotra satria afera. Heverina ny fisian’ny baiko sy ny toromarika amin’ny fampanginana ireny dosie goavana ireny, mba tsy hitarika fipoahan-javatra hafa. Tsy ny dosie goavana ihany, fa misy raharaha mafana hafa, toy ny mikasika minisitra mivady izay tototry ny tsikera, saingy malaza ho mandrahona hamoaka dosie vao kitikitihina, hany ka hatramin’ny depiote mpomba ny fitondrana aza tofoka. Ny farany teo, dia ny raharaha nahasaringotra ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha momba ny raharaham-pitsarana mety misy resaka fitakiana vola, ny resaka ady tany,... Teo ny raharaha trafikana safira goavana 925 grama teny Ivato ny 17 oktobra 2021. Minisitra efa tsy eo sy minisitra iray mbola am-perin’asa no voatonontonona fa nandray 400 tapitrisa Ar tamin’ny karana, saingy mbola voasakana ihany ny entana. Voalaza fa niditra tamin’ny “Plan B” ka minisitra voalaza fa nomena lelavola tahaka ny minisitra iray hafa, saingy mbola nidoboka am-ponja vonjimaika ireo karana, ka raikitra ny fitakiana famerenam-bola, heverina ho nampirefotra ny raharaha. Nahoana no misy ny nesorina tao amin’ny governemanta ary nahoana no misy tsy voakitika? Misy depiote voatontonona, saingy tsy voakitikitika mihitsy,… Raha tena hanadio Fanjakana mila fahasahiana, fa matoa tsy samy manapa-kevitra amin’ny dosie goavana dia ao raha.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT