Ankoatra ny fanateram-boninkazo notontosain’izy ireo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely mba ho fahatsiarovana ireo maherifon’ny taona 1972 dia nanokana fotoana hitafana tamin’ny
mpanao gazety momba ny nampiavaka ny tolon’ny 1972 tetsy amin’ny Bon accueil Ambatonakanga koa omaly ireo mpitari-tolona tamin’ny fotoan’androny. Nadio, hoy izy ireo, ny tolona tamin’izany ary tsy nitakiana afa-tsy ny hanatsarana ny fampianarana teto Madagasikara. Ny fanaratsian’ny mpitondra ireo mpianatra nanao fitakiana no nampivadika azy ho politika sy nitakianay ny fialan’ny governemanta tamin’ny fotoan’androny. Izahay izay hitanareo ireto dia tsy nisy nitaky ny hiditra tao anaty fitondrana taorian’ny tolona natao ary na nisy nasaina hiditra aza dia nandà tsy nanaiky. Raha ampitahaina amin’ny ankehitriny kosa dia hita hovontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny ary misy fifamonoana mihitsy aza. Amiko, hoy ny Maitre Willy Razafinjatovo na Olala, dia ny raiamandreny no disoiko amin’ny toe-draharaha toy izany satria izy ireo no tsy nahay nanabe.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.