Politique

Mpitarika Ankolafy Misy voaantso eny amin’ny zandary indray


  • Alakamisy 13 Janoary 2011


Tsy fantatra mazava moa ny anton’ity fiantsoana ity, ilay izy rahateo mitontona amin’ny fotoana isian’ny dinika eo amin’ny ankolafy Ravalomanana ankilany ary ny TGV sy ny UDR-C andaniny no itrangany. Antsojay tsotra izao no fahitan’ny maro azy. Tsy fantatra intsony mantsy izay tena tian’ny FAT hatao eto fa tsy mampisy fitoniana. Ny dinika mantsy mizotra tsara kanefa ny mpanao politika toa hogadraina indray. Fihetsika efa mahazatra ny FAT moa ity managadra ity mba hampanginana ireo olon’ny Ankolafy Telo.

Mazava anefa ny baikom-pitolomana eny an-kianja : «na hogadraina daholo aza ny mpitolona dia hisy mpitolona hivoaka foana tsy hanaiky ny tsy rariny sy ny fanapotehana ny firenena amin’izao fotoana izao”. Koa asa raha ho antonona izany rehetra izany ny fonjan’i Tsiafahy, Antanimora, Ambatolampy sy Vatomandry ihany koa angamba. Raha izao fihetsiky ny FAT izao aloha dia tsy hisy zava-banona mihitsy eto amin’ny firenena. Angamba misy ny tsy te-hiala amin’ny toerany any ho any satria fantatra tsara fa tsy maintsy hisy ireo izay hoesorina amin’ny toerana raha vao misy ny fifanarahana vita sonia ka izay no mahatonga izao antsonjay izao mba tsy hampahomby ny dinika. Ny vahoaka Malagasy hatrany anefa no mizaka ny vokatr’izany fa ny FAT mitana ny toerany, ny andaniny na misy ny fahavononana aza tsy afa-manao inona. Ny vidim-piainana miakatra andro aman’alina !

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT