Miteraka adihevitra ilay resaka Rova ka ao ny mankatoa ary ao no tsy resy lahatra.
Raha mikendry ny hahasoa ny rehetra isika amin’ny fanapahan-kevitra politika mikasika ny Rova, dia miova io, hoy ny Mpitandrina sady mpampianatra haitarika na Leadership Atoa Hubert Rakotoarivony tao amin’ny Fandaharana Bemiray isa-maraina ao amin’ny Top Radio 102.8FM omaly. Momba ny vakoka, dia anaraka ny finoana “judaisme”, ohatra, amin’ny ankampobeny ny any Israely, fa tsy nokitihiny sy nosimbainy ny tanàna, toy ny sinagoga nampianaran’i jesosy, ny tanàna nisy an’i Marie Magdalène,… fa mijanona ho vakoka. Rehefa tsy mifanojo amin’ny fon’ny olona iantefan’ny hafatra ny ataonao, dia efa tsy mandeha io. Raha tena tsapa hoe tokana ny fahavalo araka ny ambaran’ny mpitondra maninona isika no tsy tonga amin’ilay hoe marina izany? Tenin-dRaiamandreny izany? Tsy mbola misy fifampitokisana ao anatin’izay, hoy izy. Ny hevitry ny Malagasy no tsara sy matanjaka kokoa ho an’ny soa ho an’ny Malagasy. Ara-toekarena, dia tsy mamely ny “liberalisme économique”. Saika ny orinasa no tsy mahay maka lesona. Hokatsanany daholo ny fandaniana mikatsaka ny fampivelarana ny maha olona. Mila mifantoka amin’ny olombelona, mitsinjo ny olona sy ny fampivelarana ny olona hoe: “izaho velona ho an’ny hafa” ho an’ireo mpandraharaha. Tsy hanapotehana ny hafa fa hanampiana ny hafa, hamelona olona betsaka. Serasera tena mahomby sy misokatra no tena ilaina. Mifanantona, miteny ny heviny ny fanjakana milaza ny antony. Miteny ny ankilany, toy ireo olobe. Azo ampiasaina ao anatin’ny toe-po mahitsy mitondra any amin’ny “3éme alternative” na fanambaran-kevitra, hoy Atoa Hubert Rakotoarivony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.