Politique

Mpisolovava an’I Paul Rafanoharana “Mety ho olomangam-pirenena ny olona arovanay!”


  • Zoma 06 Aogositra 2021

Nanamafy tetsy amin’ny biraon’izy ireo etsy Ankadifotsy omaly ireo mpisolovava ilay mpandraharaha voarohirohy ao anatin’ny raharaha fifofoana aina mpitondra ambony eto Madagasikara,

Paul Maillot Rafanoharana, dia i Willy Razafinjatovo na Maitre Olala fa ity olona arovan’izy ireo ity sy ny vadiny Voahangy Rafanoharana dia samy voatazona am-ponja ankehitriny. Any Tsiafahy ity mpandraharaha ity ary any Manjakandriana kosa ny vadiny. Raha niteny ny fitsarana sy ny mpanome vaovao omaly (TTF: ny alarobia teo) fa narary I ramatoa Voahangy dia marina tokoa izany fa nentina natao seraoma tany amin’ny hopitaly izy. Efa nalefa any Manjakandriana izy ankehitriny. Fihainoana voalohany na “premiere comparution” ny alarobia teo fa anio zoma 06 aogositra kosa ny faharoa ho an’izy mivady, hoy hatrany ny fanazavan’ny Maitre Olala. Isaoranay, hoy izy, ny mpitsara ambony na “juge d’instruction” fa tena nahalala tsara ny asany sy te hamoaka ny marina. Enga anie mba hitohy izany fa tsy hisy tsindry bokotra mihitsy. Aorian’ity fihainoana anio ity no mety ahafahan’ireto mpisolovava ireto mangataka fahafahana vonjimaika ho an’izy mivady. Raha tsy azo moa izany dia ho hita eo ny tohiny, hoy hatrany ny fanazavana. Amin’ny maha mpisolovava sy mpiaro anay dia manana fanantenana izahay fa mety hahazo ilay LP satria efa niteny aho hoe andriamatoa Paul Rafanoharana io, hoy hatrany ity mpisolovava ity, dia marina fa enjehina ankehitriny hoe nanao ireo fiampangana azy miisa 4 ireo fa mety ho marina koa ny heritreritray dia ny hoe tsy izy mihitsy no antsoina hoe “criminal” na olon-dratsy anatin’ity zavatra ity fa mety hisy fivadihany io zavatra io dia hivoaka amin’izay ilay fahamarinana sy ilay hoe mety ho lasa olomangan’ny firenena ny olona arovanay satria tsy ny hamono olona no heritreriny fa mitetika sy miheritreritra ny hanadio ny firenena amin’ireo mafia sy mpanao kolikoly izay mambotry sy mampilentika hatrany ity firenena ity. Mbola samy mametraka moa izao na izahay n any fanjakana hoe mety ho izao na izao, izany hoe “présomption” no resaka eto. Tsy anjaranay ny mitady ilay atidoha na “cerveau” fa an’ny fanjakana ka izy anontaniana, hoy hatrany ireto mpisolovava ireto. Tsiahivina moa fa resaka fikambanan-jiolahy,fanitsakitsahana ny filaminam-panjakana na “atteinte a la sureté de l’Etat”, fitanana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana, fikonokononana vono olona no isany hiampangana azy mivady.
J. Mirija Legende: Tetsy Ankadifotsy omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT