Politique

Mpikamban’ny CFM 2 amin’ny 44 no hany hita…


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Tsy hay hoe inona izany no tena andraikitr’ireo mpikambana miisa 42 ambiny fa tao anatin’izay 3 taona mahery kely nitsanganan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy izay aloha dia tsy misy afa-tsy ny filohan’ny CFM sy ny filoha lefitra misahana an’Antananarivo no hany tena hita manazava ny fipetraky ny fihavanana sy fampihavanam-pirenena eto

 

 

 

Madagasikara amin’ireo mpikambana 44. Ny tamin’ilay rafitra teo aloha na FFM aza moa dia tsy hita hoe iza? Ireo ihany ve izany no tena mahafehy ity resaka fihavanana ity na dia atao hoe samy midina ifotony toy inona aza ireo mpikambana rehetra? Toa tsy mahagaga raha maro ireo manakiana ity rafitra ity ary hatramina mpahaifiarahamonina aza misy milaza fa tokony ho ravana izy io. Inona moa no tsy endrika fizarazarana sy fifamaliana faty niseho tato anatin’izao fitondrana izao kanefa tsy mba hita ho mihena fa vao miha mitombo hatramin’izao? Tsy fampitomboana ny fizarazaran’ny Malagasy ve izany fananganana faritra faha 23 izany? Niezaka nametraka fomba vaovao nankalazana ny 14 oktobra tao Anahidrano ny fitondrana mijoro saingy tsy nanaiky izany ny fianakavian’ny rain’ny repoblika voalohany dia ny fianakaviana Tsiranana. Raikitra ny fitokanana ny tsangambato fahatsiarovana ny rain’ny demokrasia, Itompokolahy Profesora Zafy Albert, tetsy Ambohijatovo, tsy hita popoka ny filoham-pirenena ankehitriny sy ny praiminisitra. Tsy nety naira-nipetraka teny amin’ny toeran’ireo mpanasa sy nasaina tamin’ity lanonana ity ihany koa ny tanan-kavanan’ny Profesora Zafy fony fahavelony, Tabera Randriamanantsoa. Endrika fizarazarana hita ho mitombo daholo kanefa aiza ireo tomponandraikitra amin’ny famitranana azy ireny?

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT