Na dia somary mangingina ihany aza ny eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza amin’ny ankapobeny dia hita misomebiseby eny an-toerana ihany ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita mbola tavela eto Antananarivo ankehitriny, ny fotoam-piasan-dry zareo koa moa tsy mbola mitsahatra raha tsy mivoaka ny didim-panjakana avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Omaly alatsinainy izao dia misy ny fivoriana etsy sy eroa tazana ataon’ireo mpikambana vitsivitsy efa notendren’ireo namany hiaro ny fangatahana an’ireo tombontsoa tokony haloa amin’izy ireo. Araka ny heno teny an-toerana rehefa tsy dia noraharahain’ireo birao maharitra loatra ity fitakiana nataon-dry zareo ity dia nanangona sonia ry zareo ka nanendry namana roa hanatitra ny fitoriana eny amin’ny rantsamangaikan’ny fitsarana ka miandry fatratra an’io izy zato nanao sonia nefa toa voavilivy an-dalana indray ireo mpitondra ny taratasy ka mbola andrasana marina ny tena zava-misy. Etsy an-kilan’izay dia heno tsiliantsofina teny an-toerana ihany koa ny amin’ny hananganan’ireto mpikamban’ny Kongresy hiala ireto fikambanana vaovao ho azy ireo hoenti-manohy ny fanohizana politika. Teny an-toerana koa omaly dia tazana nanatitra fanomezana ( gisa ) ho an’ny filoha Mamy Rakotoarivelo sy ny filoha lefitra Zafilahy Stanislas ireo mpitarika ao amin’ny ankolofy Ravalomanana ho fiarahabana nahatratra ny taona.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.