Politique

Mpihantsy


  • Talata 30 Novambra 2010


Fihantsiana ! Izay no mahadika sy mahalaza ny zava-mitranga eto amin’ny tany sy firenena ankehitriny. Ny mpitondra no miketrika azy io. Hanjonoana mora foana ireo mpanohitra azy, ireto farany izay matetika ny fonja no mitaty azy. Ireo tranga telo niseho tato anatin’ny tapa-bolana monja dia ampy hanamarinana izany. Nijoro ireo Ben’ny tanàna am-perinasa ary nivondrona anatina fikambanana, dia ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny nosy na AMM raha vao namoaka didim-panjakana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ny 20 septambra 2010, fa hanao fifidianana Ben’ny tanàna ny 20 desambra 2010 ary niantso mpifidy. Notsipahin’ireo Ben’ny tanàna AMM ny fametraham-pialana roa volana mialoha ho an’izay hirotsaka hofidiana. Ny fisintahana vonjimaika, araka ny lalam-pifidianana taloha no tazonin’izy ireo ny hampiharana azy, ka mandray ny asa maha Ben’ny tanàna indray rehefa vita ny latsa-bato ary manohy ny asa mandra-pandraisan’izay voafidy eo ny asany. Tsy neken’ny AMM koa ny hoe tsy fantatra akory izay lalàmpanorenana hifotoran’ny fanjakana nefa ny fiantsoana fifidianana ho Ben’ny tanàna efa natao.

Samy namahatra tamin’ny heviny na ny FAT na ny AMM. Lasa fifandirana politika no niafarany. Nikasa ny hanazava hevitra tamin’ny vahoaka mikasika io raharaha io ny AMM, dia ireny no niafarany ny sabotsy 20 novambra. Lakrimozena sy fisamborana avy hatrany no nihatra tamin-dRalaiseheno Guy Maxime ary gadra roa volana an-tranomaizina no fanampiny. Tetsy ankilany anefa ny FAT dia nanapa-kevitra ny hanemotra indray ho amin’ny fotoana tsy voafaritra ilay fifidianana Ben’ny tanàna. Mbola io 20 novambra io ihany, taorian’ny zava-nitranga teny amin’ny BANI ka nisamborana fotsiny ireo manamboninahitra 16 lahy, notondroina fa nikomy tao, dia nosavaina ny trano fonenan’ny Pr Ranjeva Raymond teny Ambaranjana. Nahiahiana no niray tendro tamin’ireo manamboninahitra ireo izy, noho ny fanambarana ka nandrosoany ny drafitra “Vonjy Aina” hitsaboana an’i Madagasikara amin’izao krizy manjo azy izao. Rehefa izay dia nantsoina teny amin’ny zandary, Ankadilalana, ny zanany vavy sy ny vinantolahiny, hanaovana fanadihadiana. Notanana ny zanany, nalefa nody kosa ny vinantony. Resaka faniratsirana mpitandro ny filaminana indray no nitanana an’itsy voalohany. Nantsoina hatao fanadihadiana ihany koa ny Pr Ranjeva rainy ary samy niakatra fampanoavana ny zoma lasa teo. Dia efa niaraha-nahalala ny vokany. Nafahana vonjimaika, miandry fitsarana ny rainy, notanana am-ponja vonjimaika kosa ny zanany. Izay no didy savaranonando navoakan’ny fampanoavana.

Mbola io sabotsy 20 novambra io ihany, rehefa nihazohazo ny miaramila ny hanafika ny Toby BANI Ivato, hisamborana ireo manamboninahitra voalaza fa nikomy tao dia ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) niaraka ny mpiambina ny Lapan’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita nampiana zandary fitsivitsy avy amin’ny GSIS, no niditra ny toby, nanafika ary nanapoaka basy aman-tafondro (raha ny fidobony) ka nisamborana ireo manamboninahitra ireo. Fihetsika izay nahatohina ny miaramila maro, ary mbola mamparisarisa ny fiarahamonina eny amin’ny BANI sy RFI Ivato eny. Nametra-panontaniana izy ireo hoe maninona no misy olon-kafa ivelan’ny miaramilan’izy ireo miditra amin’ny tanànany, nefa manana lehibe mpifehy sy mpibaiko io vondron-tafika io ? Miendrika fihantsiana tsotra izao izany, amin’ny fanipazana hoditr’akondro mba hahafahana mitsipona izay mibolisatra.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT