Politique

Mpifidy vaventy Mety hiova ny lisitra


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Mitentina 1,8 miliara ariary ny tetibola ilaina amin` ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao. Raha ireo tetiandro voaray hatrany dia ny 29 oktobra izao no mivoaka ny lisitra farany ireo kandidà izay miisa 14 hatreto.

 

 

 

Ny 29 novambra izao kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra. Mahakasika ny bileta tokana indray dia ny tranom-printim-panjakana no hanatota izany. Manana hatramin`ny 11 novambra kosa ny vaomiera nasionaly misahana ny fikirakirana fifidianana (CENI) hikirakirana ny lisitr` ireo mpifidy vaventy. Mety hiova kosa ireo voarakitra satria misy an`ireo kandidà no nitory an`ireo ben ny tanàna lany tamin`ny fomba ofisialy navoakan`ny fitsarana miady amin`ny fanjakana ka nitondra ny raharaha eny anivon` ny filankevim-panjakana, hoy Fano Rakotondrazaka, mpampaka-tenin` ny CENI. Miisa 155 ny didim-pitsarana voarain` ny CENI avy amin`ny filankevim-panjakana momba ny fifanolanana tamin`ireo kandidà tamin` ny fifidianana kaominaly farany teo. Didim-pitsarana entina sy handrafetana ny lisitra vonjimaika izay mirakitra ny mpifidy vaventy izay handray anjara amin` ny fifidianana loholona amin`ny 11 desambra izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT