Politique

Mpiasam-panjakana Tsy ho voaloa karama ?


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

“Tsy manam-bola intsony ny fitondran-dRajoelina ka izay no mahatonga azy manao Remenabila, te hanankarena tampoka. Remenabila no mivarotra raopilanim-panjakana

 Hatramin’ny faran’ny taona dia tsy misy vola intsony, ka tsy hahaloa ny karaman’ireo mpiasam-panjakana intsony ny minisitry ny vola”, hoy i Manandafy Rakotonirina tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo. Noho ny asan-dRavalomanana miaraka amin’ny SADC dia lasa mahalala ny ativilany izahay, hoy izy ka izany no namantarana io tsy fisiam-bola io sy ny resaka Remenabila. Misy ny Remenabila mivarotra boaderozy an-tsokosoko tany Maorisy, hoy ny filoha nasionalin’ny MFM ary dia nijoro ny mpitsara Malagasy nanameloka azy. Raha misy Malagasy sahy mijoro koa, hoy izy dia hisy mpitsara sy mpitandro ny filaminana sahy hijoro hisambotra an-dRemenabila ao ambony ao. Tsy hiasa irery isika, hoy i Manandafy tamin’ireo mpiara-dia aminy. Samborina i Remenabila mba tsy hanjakazaka toy izao. Ny fahapotehana rehetra, nanomboka ny 26 janoary 2009 dia harenina. Saingy mila vahoaka maro sy matanjaka izany, nanentanany ireo mpandala ny ara-dalàna hanamafy ny tolona.

 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT