Hentitra amin`ny fanaraha-maso ny fizotry ny fampielezan-kevitra depiote ny CENI manomboka izao hatramin`ny 25 mey.
Lamandy 5 tapitrisa ariary no aloan`ny mpiasam-panjakana manao fampielezan-kevitra araka ny and. 227 amin`ny lalàna mifehy ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fitsapan-kevi-bahoaka lah. 2018-008. Tsy vitan`izay fa miampy fanagadrana an-tranomaizina roa hatramin`ny dimy taona ho an`izay tratra sy mandika lalàna. Ho foana ihany koa ny vato azon`ilay kandidà, araka ny and. 220 amin`io lalàna io. Tafiditra ao anatin`izany ny fihoaram-pefy, mampiasa fiara na trano na volam-panjakana amin`ny propagandy. Ankoatra izay, miantso ireo kandidà solombavambahoaka sy ireo mpanohana azy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) mba hanaja ny firaisam-pirenena sy ny soatoavina Malagasy mandritra ny fampielezan-kevitra. Tsy tokony handany sy hitanila ihany koa ny fitondram-panjakana sy ireo sampandraharaham-panjakana. Mila hajaina ny fitovian-jo ny kandidà tsirairay sy ny fanajana ny lalàna rehetra manodidina ny fampielezan-kevitra hahafahana mandroso amin`ny fifidianana milamina. Miantso ny rehetra hifanome tanana mba ahatongavana amin`ny tanjona mandritra ny fampielezan-kevitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.