Mpisoloky i Holijaona Rabaonarijaona izay nivarotra ny tetikasa IEM tamin-dRajoelina, hoy ny lahatsoratra navoakan’i Mahery Lanto Manandafy tamin’ny tambajotra ara-tsosialy facebook.
Andrasana izay ho valin-kafatry ny voatonona. Raha ny voasoratra, anisan’ny fototry ny fionganan’ny Profesora Zafy Albert teo amin’ny fitondrana io olon’ny IEM io, raha ny nambarany. Tale Jeneraly lefitry ny Flamco izy tamin’izany fotoana. Tsy inona io Flamco io fa fisolokiana goavana indrindra teto Madagasikara nahabanky ny firenena. Niseho ho niaraka tamina mpiara-miasa vahiny nampanantena famatsiam-bola 4 miliara dolara, mba hisarihana ny mpitondra tamin’izany fotoana niresahana ny fisiana antoka avy amina Printsy avy any Liechtenstein. Raha ny marina dia tetika nakana vola in-telo nisesy manodidina ny 3.4 tapitrisa dolara tao amin’ny BTM (Bankin’ny Tantsaha Mpamaokatra, ka 10.2 tapitrisa, izay tsy nisy antoka mazava. Natao antoka hahazoana vary sy menaka mora sy sakafo ilaina amin’ny andavanandro teto Madagasikara ilay vola. Maro ny fampanantenana sy ronono an-tavy, saingy io Flamco io dia orinasa sandoka sy tsy ara-dalàna sy tsy ara-panjakana ka ny Malagasy niray tsikombakomba taminy no lasa mpanefoefo, raha ny tantara. Volabe 4 miliara ariary, ohatra, no nanjavona tamin’ny resaka fitsoahan-ketra nataon’ny Flamco, ary 6 miliara ihany koa ny fatiantoka sy vola fongana tao anaty kitapombolam-panjakana. Niteraka olana goavana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny FMI ao anatin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), mpamatsy vola voalohany ny Malagasy io fisintonana volabe io. Niverina indray io 20 taona taty aoriana aty amin'ny governemanta Kolo Roger, ka tamin'ity indray mitoraka ity dia niaraka tamin’i Maitre G... izy, izay nampanantena ny resaka famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara avy amin'ny governemanta Sinoa, ka nahazoany « commission » 10,000 dolara tamin’ny mpampiasa vola rehefa nahazoany taratasy fankatoavana avy amin'ny Praiminisitra Kolo Roger, hoy hatrany ny voalazan’i Mahery Lanto Manandafy.
Na ilay IEM aza dia efa manomboka misy manasokajy ho fisolokiana goavana. Ahiana hitovitovy amin’ny raharaha Flamco ary ny tolo-tsaina homena an-dRajoelina, toy ny io resaka solika io dia ahiana hisy fandrika. Atosika hananganana orinasa Malagasy hiantsoroka ny resaka solika, ohatra, ka hanatontonana volam-panjakana avy eo mitsefotra fa ho lasan’olom-bitsy ny vola. Na koa rahonana hatao fitadiavan-tombontsoa ireo mpamatsy solika. Mila mitandrina ny filoha !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.