Miha mafana ny fifandirana eo amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo
.Nanao fanambarana omaly ireo mpanolontsaina monisipaly voafidy tamin’ny anaran’ny antoko politika Tiako i Madagasikara fa manameloka ireo fihoaram-pefy sy ny fanararaotam-pahefana nisesisesy nataon’ny ben’ny tananan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina, tato ho ato . Ohatra amin’izany ny fanafoanana amin’ny alalan’ny taratasy tsotra ny « Bail Amphytéotique » mikasika ny tany eo Anosipatrana ampiasain’ny MBS izay nahazoana fankatoavan’ny filankevitra monisipaly araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 013-BFM/Délib.2000 tamin’ny 08 mey 2000 ary nohamafisin’ny fanapahan-kevitra laharana faha 008-CUA/VM/Délib.16 tamin’ny 11 martsa 2016, ny fandrodanana ireo fotodrafitr’asan’ny Kominina Antananarivo Renivohitra izay miorina ara-dalana, araka ny fifanarahana teo amin’ny CUA sy ny mpampiasa azy sy ny fanapahan-kevitra monisipaly mifanaraka amin’izany, ny fanesorana ireo mpivarotra mampiasa sy manofa ny « Pavillon » eo amin’ny Esplanade Analakely, izay marihina fa efa nisy fanapahan-kevitra ihany koa noraisin’ny filankevitra monisipaly sy fifanarahana ara-dalàna teo amin’izy ireo sy ny CUA. Tsy fahefan’ny ben’ny tanana mihitsy ny manova na manafoana ny fanapahan-kevitry ny filankevitra monisipaly amin’ny alalan’ny taratasy tsotra na naoty. Ny ben’ny tanana dia natao hanatanteraka ny fanapahan-kevitra monisipaly na « délibération », araka ny andininy faha 16 amin’ny lalàna 2015-011 tamin’ny 01 aprily 2015 momba ny Sata manokana mifehy ny tananan’ Antananarivo. Ny filankevitra monisipaly ihany no manana fahefana maka fanapahan-kevitra momba ny fifanarahana fampanofana maharitrana na “bail amphyteotique” ny fananan’ny kaominina, araka ny andininy faha 15 ao amin’ny lalàna fehizoro 2014-018 tamin’ny 12 septambra 2014. Noho izany dia mitaky ny fanajanonana tsy misy hataka andro ny fandraisan’ny ben’ny tananan’Antananarivo renivohitra fanapahan-kevitra samy irery ary tsy ara-dalàna izay mety hiteraka tsy fifampitokisana eo amin’ny mpitantana sy ny vahoaka ireto mpanolontsaina ireto ary miantso ny Prefen’ny polisy handray ny andraikiny manoloana izao zava-misy izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.