Lavinay 3 mianadahy izay mijoro eto ny famarotana an’Antananarivo, hoy ireo isan’ny mpanolotsaina mpanohitra eo anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra avy amin’ny vondrona politika Komba sy IRK tetsy amin’ny restaurant Tsiky Ambohijatovo omaly.
Misy mizana tsindrian’ila ary miova foana ny fitondrana ny raharaha arakaraky ny zava-misy. Ny fanontaniana napetraka anay omaly (TTF: ny talata teo) izao dia hoe ekentsika ve ny fanarenana ny tsenan’i Behoririka izay noravaina teo aloha ka ovana hisy rihana 4. Rehefa novakiana anefa ny taratasy dia hita ho misy fifanarahana am-pitaka ao izay milaza fivarotana ampahan-tany ao Manohitompoina sy ny ampahan-tany antsoina hoe “Angel 2” eny Tanjombato, ohatra. Namidy tanteraka amin’olona antsoina hoe Assanaly Hervé ireo ampahan-tany ireo, hoy izy ireo. Efa nobodoin’ireo olona ireo an-taonany maro ireo, hoy ny fanazavana azonay, fa nanaiky hono ireo olona ireo, ankoatry ny vola vidin’ilay tany, 260.000 ariary ho an’ny etsy Anosizato ary 430.000 ariary isaky ny metatra tora-droa ho an’ny eny Tanjombato. Miantso ny vahoakan’Antananarivo hanampy azy ireo amin’ny alalan’ny fandinihana solontena miara, toy ny mpahay lalàna, ohatra, sy amin’ny alalan’ny fanaovana tsipaipaika, noho izany ireto mpanolotsaina mpanohitra ireto. Andrasan’izy ireo ihany koa, raha ny fampahafantarana nataon’izy ireo omaly ny hevitry ny avy eo anivon’ny mpanolotsain’ny antoko politika Tiako I Madagasikara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.