Politique

Mpanolotsaina Komba “Manao sarin’ady ny Ben’ny tanàna Naina sy ny TIM”


  • Talata 12 Aprily 2022

Notondroin’ny Antoko Humaniste Écologique misy ireo mpanolotsaina Komba dia I Toavina Ralambomahay sy Hilda Hasinjo Ravelonahina ho manao sarin’ady ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny mpanolontsaina

 kaominaly avy amin’ny Antoko TIM eo anatrehan’ny toe-draharaha miseho ao anatin’ny Kaominina Antananarivo ankehitriny. “Tsy tokony hanao vazaha mody amin’ny TIM ny ben’ny tanàna, ary ny TIM tsy hanao tahaka an’io fa na manohana na tena mijoro amin’ny maha mpanohitra. Namoaka dosie 300 pejy ny ben’ny tanàna, fa tsy nandeha nitory tany amin’ny Bianco sy ny fitsarana. Izany ve izany no nahatonga ny TIM mifidy “eny”. Clémence Raharinitrina izao tao amin’ny IRK fa nijoro ho mpanohitra, ka ny TIM izay manohana ny ben’ny tanàna tokony hijoro hoe: ireto izahay manohana ny ben’ny tanàna”, hoy ny Antoko Humaniste Écologique omaly nandritra ny fanambarany tetsy amin’ny Réstaurant Tsiky Ambohijatovo. Nambaran’izy ireo lalaovin’ny TIM sy MAPAR. Tsy manana ny maro an’isa tamin’ny ffidianana natao ny MAPAR, 25 avy ny TIM sy MAPAR, 5 tsy miankina, kanefa lasa tsy mipetraka ny fanoherana ny ben’ny tanàna tany aloha, hoy ny fanamarihana. Anton’io moa ny fisian’ireo mpanolontsaina TIM voalaza fa mamadika satria voavidy vola, ka manohana ny ben’ny tanàna any amin’ny latsa-bato miafina. Isan’ny paikady nentin’ny ekipan’ny ben’ny tanàna mikasika ny fifidianana ao amin’ny kaominina moa ny fanaovana latsa-bato miafina vao ny ampahefatry ny mpanolontsaina no mangataka izany, ka zary lasa fomba fanao raikitra io, raha toa ka tokony ho tsangan-tànana, ka tsy fantatra mazava ho azy ireo mpamadika. Na izany aza, efa nilaza hijery sy hamantatra izay mamadika ka hampihatra ny fitsipika anatiny ny TIM.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT