Namaly ny fanehoan-kevitry ny ben’ny tananan’Antananarivo mikasika ny raharaha CNaPS sy CUA tetsy Bel’air ny sabotsy teo ireo mpanolontsain’ny tananan’Antananarivo. Raha mijery ny ampamoaka momba ny raharaha CNaPS
isika dia hita tao ny fanamarihana manao hoe ampindramina ny CUA ny 11 miliara ariary, hoy izy ireo. Ho tafaverina ve? Nilaza ny ben’ny tanana fa efa nanome fahefana azy izahay mpanolontsaina ny amin’ny ahafahany mindram-bola. Aoka hazava fa ny fanomezam-pahefana nomenay azy ny volana janoary 2020, nandritry ny fivorianay voalohany dia ny fitrosana entina hamatsiana ireo fampiasam-bola voasoratra ao anatin’ny tetibola fa tsy hoe afaka mihindram-bola izy rehefa te hindrana. Jerentsina ny tetibolan’ny CUA nanomboka ny 2020 hatramin’ny 2022 dia ianareo ihany dia afaka manamarina azy fa banga tanteraka ny tsipika mikasika ny fampindramana ao anatin’izany na “rubrique recettes”. Tsy misy idiran’ny fanomezam-pahefana nomen’ny mpanolontsaina na “délégation de pouvoir” mihitsy ity resaka ity. Lojika izahay raha miteny fa tsy nandalo tao amin’ny filankevitra monisipaly io fitrosana 11 miliara io. Nilaza ny ben’ny tanana fa nampahafantatra anay foana ny momba ny dingana ny amin’ny fividianan’ny CUA an’ny Easy park. Hamafisina amintsika fa famerenam-bidy na “rachat” no noresahana taminay nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo izay hany mba nahenoanay izany vaovao izany. Aoka izy hamoaka ny PV rehetra mikasika ny fivorianay nanomboka ny volana janoary 2020 raha marina ny filazany fa niteny mazava taminay izy fa hitrosa vola amin’ny CNaPS hividianana ny Easy park ka 11 miliara ariary no hividianana azy. Mikasika ny SMGD na “société municipale de gestion digitale” dia ampahafantarinay fa afenina mafy aminay ny mpitsopitsony mikasika izany. Lazaina fa orinasan’ny CUA ny SMGD izay hanangona ny volan’ny mponin’Antananarivo mikasika ny parking sy ny fikirakirana taratasy ao amin’ny CUA kanefa tsy nakana fankatoavana tao aminay mpanolontsaina ny fametrahana izany. Tsy nampahafantarina na karazana orinasa inona sy manao ahoana io na ohatrinona ny vola ampiodinana azy na iza avy koa ireo mpiara-miombon’antoka na “actionnaire” izay nolazaina fa miisa 3 ka tale ao amin’ny CUA ny iray, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija/Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.