Politique

Mpanohitra Atosika ho eny an-dalambe


  • Talata 03 Novambra 2020

Matahotra mafy ny hisian’ny hetsika politika sy famoriam-bahoaka ataon’ny mpanohitra ny mpitondra ankehitriny. Voarara sy ambenana amin’ny basy aman-tafondro hatramin’ny hetsika anaty toerana voafefy na an’olon-tsotra.

 

 

 

 Niseho io tany Mahajanga tamin’ny hetsika nataon’ireo depiote mpanohitra sy ny vondron’ny mpanohitra ny 18 oktobra sy ny tany Fianarantsoa ny sabotsy 30 oktobra. Mora kokoa ny mifehy sy misakana ny fihoaram-pefy amina toerana an’olon-tsotra sy mety ho voafefy. Efa niseho ny tahaka izany tamin’ny andron’ny tetezamita nisian’ny tolon’ny Magro Behoririka nitakiana ny fiverenenana amin’ny ara-dalàna sy fiverenan’i Marc Ravalomanana. Ankehitriny, ny mpitondra no toa manosika ny mpanohitra ho eny an-dalambe, raha ilay niseho tany Fianarantsoa satria teny amin’ny arabe no nandeha ny kabary fohy, rehefa natao andrimaso ny Magro. Rehefa sakanana ny hetsika politika sy famoriam-bahoaka dia vao mainka mahazo vahana, endrika iray maneho ny tahotra sy fahalemen’ny mpitondra. Tahaka ny fotaka fehezina ao an-tànana io, ka arakaraka ny hanapotserana azy no vao mainka mampiporitsaka azy. Vao mainka liana ny olona, ary mahazo vahana ny fanoherana satria miha mahatsapa ny mpanohitra fa atahoran’ny mpitondra mafy matoa sakanana ny hetsika ataony, izay mbola vao amina toerana an’olon-tsotra dia efa sakanana sy hamoahana hery sy fitaovam-piadiana mirantiranty. Mety heverina ho bitika io hetsiky ny mpanohitra io, saingy mitovitovy amin’izao ihany ny niantombohan’ny tolon’ny depiote 73, niafara teny an-dalambe rehefa noresena teny ambony latabatra, resy teny amin’ny fitsarana,…  fa niteraka faharavana governemanta sy naharesy ny antokon’ny fitondrana rehefa nandeha ny fifidianana.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT