Politique

Mpanohana ny Fitondrana Maro ny menatra sy latsa-nenina


  • Zoma 04 Martsa 2022

“Menatra sy latsa-nenina”, io no fehezanteny mahafaritra ny fihetsiky ny ankamaroan’ireo mpomba ny fitondrana amin’izao fotoana izao.

Na aiza na aiza aleha, samy mahatsapa fa nandiso fanantenana, ary tsy arakaraka ny fampanantenana niainga tany amin’ny propagandy no nafitsok’ity Fitondrana ity. Lasa henatra izany hoe: izahay TGV-MAPAR izany eny amin’ny fiarahamonina, fa mipiripirina. Diso fanantenana sy sahirana, ary sahy miteny mihitsy fa tsy arakaraka ny fampanantenana ny vokatra. Raha hampatsiahy kely ny sasany amin’ny velirano miisa 13, dia voalohany ny hoe: fitoniana sy fandriampahalemana fa tena tony sy mandry ve ny tany? Manao pi-maso amin’ny hampidirana mpitandro filaminana 3000 latsaka kely ho an’ny misy basy, kanefa ny sehatra hafa adino sy mikorosy fahana: oniversite saika “vacataires” avy fa tsisy fandraisana mpampianatra-mpikaroka, ny mpampianatra amin’ny ambaratonga fototra mitsipozipozy, ny mpitsabo ady mafy vao mahazo karama ny sasany,… Velirano faha-6 ny hoe: asa mendrika ho an’ny rehetra, ka asa mendrika inona no nateraky ny “Colisé” eny Anatirova, ny Kianja etsy Mahamasina sy ireo hiazakazahana any amin’ny faritra. Noresahina ny trano mora, building, Tanamasoandro,… fa tena vita araka ny nampanantenaina ve? Eny misy ireo vitsivitsy mety efa mitsangana, fa firifiry amin’ireo vahoaka madinika fakana vato eny amin’ny faritra iva no misitraka an’izany? Adihevitra moa izao ny teleferika na somary nangingina aza, ka asa firy isan-jaton’ny vahoaka madinika no hanana 8000Ar isan’andro hitaingenana an’izany amin’izao vidim-piainana sarotra sy tena midangana izao? Ny fonenany aza sasatry ny miarina satria dibo-drano rehefa fahavaratra. Velirano faha-10 ny hoe: “Fitantanana maharitra sy miaro ireo harena voajanahary” ka moa trafikana safira sy volamena sy harena samihafa tsy mbola hita tao anatin’ny 62 taona ve no dikan’izany? Jonoana amin’ny karazana fanomezana sy ny kimoramora sisa ny olona hanapenana ny masony, saingy efa betsaka no tonga saina.
MISITRI-BELONA IREO MPANAO POLITIKA
Ny eny amin’ny fiarahamonina izay, fa na ao anatin’ny etamazaoro politikan’ny Mpitondra aza, tsy dia hita taratra firy intsony ireo politisianina na fikambanana tena sahy miaro ny Fitondrana. Olona iray sy roa tena hita ho sahy mijoro sy mivazavaza amin’ny haino aman-jry, fa ny ankoatra izay hatry ny ela no nanomboka nisitritsitrika, tsy te ho ratsy,... Ny karazana ady an-trano rahateo moa efa tsy takona hafenina intsony fa miseho ny lamba maloto. Maro no toa mangon-karena sy manao afera sy kolikoly tsy misy henatra. Mailo amin’ny aoriana, tsy mahatoky fa ho tafajanona eo io fitondrana io, ka mitsinjo ny vody andro merika hono.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT