Politique

Mpanohana ny fitondrana Maro no efa very tadidy


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Miteraka resa-be ny fanaovan` ny depiote avy amin` ny mpanohitra tatitra sy fitsidiham-paritra ataony.

 

 

 Ny lalàna fehizoro no mametra fa ny solombavambahoaka dia afaka manao tatitra amin’ny vahoaka izay tsy ilàna fangatahana fahazoan-dalana velively. “Manan-jo hitety an`i Madagasikara ny depiote rehetra satria samy solombavambahoakan`i Madagasikara avokoa rehefa tonga eo amin`izany toerana izany”. Tsy vitan’izy fa tena manana adidy hampahafantatra amin’ny vahoaka ny zavatra nodinihana sy nolaniana teny amin’ny antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka. Ny fanakanana ny mpanohitra tany Toamasina, Mahajanga,  Ambatondrazaka, Fianarantsoa ary Antsirabe anefa dia henatra ho an’ny fitondram-panjakana izay manakana ny mpitondra fanjakana (solombavambahoaka) ihany mba hanao ny asany. Tsy misy rahateo ny lalàna manakana ny fiarahana solombavambahoaka mitety fariitra sy manao tatitra, ka inona moa no olana. Etsy ankilan’izay toa manao ririn-dasa tsy tsaroana ireo miaro fatratra ny fitondrana ka nanadino fa teto Antananarivo no nanatanterahina ny hetsika D73 ny volana aprily 2018 izay nanaovan` ireo depiote TIM sy Mapar tatitra tamin’ny vahoaka. Tsy nisy resaka toerana tsy nahalaniana tamin` izany fa solombavambahoaka avy amin’ny lafy valon’ny nosy no nifampitaona teny amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely.Nahoana no niova tampoka ny fomba fijery roa taona aty aoriana, sa efa very tadidy tanteraka.

. Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT