Politique

Mpanely tsaho amin` ny tambajotran-tserasera Hiditra an-tsehatra ny ministeran` ny fitsarana


  • Zoma 20 Martsa 2020

Hita amin` izao fa sarotra ny zava-misy eto amin` izao tontolo izao mahakasika ny valan’aretina “coronavirus”.

 

 

 Manoloana izany dia misy no manely vaovao tsy marina eny anivon` ny tambajotra serasera. Misy kosa ireo manaparitaka ny vaovao fotsiny. Misy indray ireo minia manakorontana saim-bahoaka sy filaminam-bahoaka. “Miroborobo tokoa ny demokrasia eto Madagasikara. Ny fitaratra amin` izany dia ny fahalalahana miteny kanefa mila hampianarina ny Malagasy. Ekena fa misy ny demokrasia. Misy ihany koa ny zo sy fahalalahana hiteny fa tokony atao ao anatin` ny fanajana ny lalàna sy fanajàna ny mpiara belona” hoy Imbiki Herilaza, sekretera jeneralin` ny minsiteran` ny fitsarana. Nomarihany fa ny lalàna mahakasika ny serasera sy ny lalàna momba ny “cybercriminalité” no manenjika sy manasazy ireo milaza vaovao tsy marina amin`ireny tambajotra serasera. Amin` izao dia misy ny fampianarana sy fampitandremana izay nataon` ny ministeran` ny serasera. Manamafy izany ihany koa ireo ministera misahana ny filaminam-bahoaka. Nanantintrantitra kosa i Imbiki Herilaza fa rehefa mbola misy ny fanenjehana ho an` ireo izay minia manely vaovao tsy marina, indrindra fa manakorontana ny filaminam-bahoaka mahakasika ity “coronavirus” dia mazava ho azy dia mety hisy ny fandraisana fepetra ka hiditra an-tsehatra ny ministeran` ny fitsarana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT