Ny sabotsy lasa teo no nanambaran’Atoa Marc Ravalomanana tamim-pomba ofisialy ny filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena amin’izay fifidianana ho avy eo.
Hatreto aloha dia ny 8 mey 2013 no voafaritra fa hatao ny fihodinana voalohany amin’izany fifidanana izany. Tsy vitsy ireo mbola misalasala ny amin’ny hahatanterahan’io fifidianana io. Iaraha-mahafantatra fa tsy vao izao akory no nilaza hanao fifidianana ny mpitondra ankehitriny. Tsy tanteraka ny maro. Ilay referandaoma tamin’ny 2010 aza tsy nitokisan’ny rehetra, na eto an-toerana io na ny avy any ivelany. Na eo aza anefa ny fisalasalana sy baraingo marobe dia nanentana ireo mpiara-dia aminy ny ankolafy Ravalomanana handray andraikitra sy hiasa amin’izany fifidianana izany amin’ny alalan’ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana sy ny fanaraha-maso ny fizotry ny fanomanana.
Mila mailo amin’izay fifidianana hitranga eo, hoy ny solontenan’ny ankolafy Zafy Albert tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly. Ny zava-misy, hoy i Loginco dia tsy manana fahaleovantena tanteraka ny CENIT najoro na dia efa natsangana aza ny fitsarana natokana ho an’ny fifidianana izay ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ihany no filohany. Manoloana ny fafy lainga dia tsy vitsy tokoa amin’ireo mpomba an’i Marc Ravalomanana no miahotra hisoratra anarana raha tsy efa tonga eto an-tanindrazana ny filohany. Matoa izay firotsahana hofidiana izay nolazaina tamim-pomba ofisialy, hoy ny CT Donazy dia azo antoka fa hirotsaka ny filoha Marc Ravalomanana. Ny tanjona, hoy izy dia ny hampandany azy hahafahany indray mandray andraikitra. Miteraka adidy sy andraikitra, hoy izy ny filatsahan-kofidian’i Marc Ravalomanana ka tokony hifantoka amin’izay ny rehetra. Nambarany ihany koa fa tsy misy na dia singan-dalàna iray aza milaza fa azon’ny fitsarana tsotra atao ny mitsara filoham-pirenena fa ny “Haute Cour de Justice” ihany no manana ny fahefana amin’izany, araka izay voalazan’ny lalàmpanorenana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.