Politique

Mpandala ny ara-dalŕna Tsy hamela mora ireo mpanongam-panjakana


  • Talata 23 Oktobra 2012

“Tsy mbola vita ny tolona fa tena mbola ao anatiny tanteraka isika”, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno, omaly, tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka. Anisany ny resaka fifidianana, ny momba ny asa eo anivon’ny Parlemanta, ny fanontaniana arahim-baliny hifanatrehan’ny Governemanta sy ny Parlemanta ny alakamisy ho avy izao.

 Araka ny fanazavany dia fanontaniana 450 no miandry ny fahefana mpanatanteraka. “Tsy ho vita na hijanona mora io”, hoy ity mpikambana eo anivon’ny kongresy ity. Havoakanay hatramin’ny Ariary kely indrindra satria matoa izahay nanao sonia ny sori-dalana dia manana adidy sy anjara amin’ny famantarana ny fandaniana ny volam-bahoaka, hoy ihany izy. Adihevitra tsy mora ary lehilahy raha tafavoaka eo, hoy ihany i Guy Maxime Ralaiseheno nanohy. Raha ny fantatra ihany, tsy maintsy hisokatra ny fanadihadiana eo anivon’ny Parlemanta momba ny raharaha andramena, ny fividianana ireo fiaramanidina Airbus roa, ny fanorenana kianja filalaovana rugby eny Andohatapenaka. Marolafy ny ady natrehana tao anatin’izay efa-taona latsaka kely izay, raha ny fanazavany ihany. “Tsy hoe nandavo ny filoha Ravalomanana i Andry Rajoleina dia ho afa-maina”, hoy ihany izy.

Nambarany àry fa tsy mifarana ny tolona raha tsy fongotra ireo mpanao politika mitsentsitra ny harem-pirenena, tsy mifarana ny ady raha tsy fongotra ireo miaramila tsy manao afa-tsy fanonganam-panjakana hiakarana grady, tsy mifarana ny tolona raha tsy migoka ny fampandrosoana entin’i Marc Ravalomanana ny vahoaka. Tsy ady mora ny fotoana hamerenana sy hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna, hoy ihany izy. “Aza mihevitra ny hiala maina raha mbola velona izahay”, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno nanamafy ny teniny miantefa amin’i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT