Politique

Mpandala ny ara-dalŕna Miantso ireo raiamandreny ara-panahy handray andraikitra


  • Sabotsy 03 Novambra 2012

Na dia andro tsy fiasana aza ny omaly zoma 02 novambra dia toy ny isan’andro fa dia nisy hetsika tetsy amin’ny kianjan’ny ara-dalŕna Behoririka ary dia tonga maro hatrany ireo mpandala ny ara-dalŕna.

 Anisan’ireo nandaha-teny teny an-toerana i Zafilahy Stanislas izay nanome hafatra indrindra ho an’ireo mpitondra manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Eo ohatra ny tsy fandriampahalemana izay toa iniana volena mba hanakanana an’i Marc Ravalomanana tsy hody an-tanindrazana. «Na inona na inona zavatra ataonareo dia ataovy fa vao maika manafaingana ny fahatongavan’ny SADC eto izany hanampy anareo», hoy i Zafilahy Stanislas raha nanao antso avo amin’ireo mpitandron’ny filaminana izay lazainy fa variana manao politika ka lasa fitaovana hamoretana ny vahoaka hahazoana manangon-karena ho an’ireo vahiny. Manam-petra ny fotoana azo hamoretana, hoy ihany i Zafilahy.

Ireo mpitandro  ny filaminana no tokony hanery ny mpitondra hampihatra ireny zavatra nosoniavina rehetra ireny toy ny sori-dalana, ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty sy ny fiarovana ny zon’olombelona. Hitan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny kongresy ity fa tsy mahavita ny adidiny ny tafika sy ny foloalindahy Malagasy ka mila fanohanana. Tsy ny ara-barotra ihany, hoy i Zafilahy Stanislas ny fiaraha-miasa misy eo amin’ireo firenena mivondrona ao amin’ny SADC fa eo indrindra koa ny resaka fitandroana ny fandriampahalemana sy filaminana. Ankoatra izay dia niantso ireo raiamandreny ara-panahy ihany koa i Zafilahy Stanislas mba handray andraikitra mifanandrify amin’izy ireo. «Mitrahotraho hilatsaka ny ady an-trano, hiteraka faharavana», hoy izy ka matoky izahay fa tsy ho tara loatra izany fandraisana andraikitra izany.

 
Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT