Politique

Mpandala ny ara-dalŕna Miandry izay havoakan’ny Troika any Dar-es-Salam


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Efa-taona latsaka izay no nitondran’i Andry Rajoelina teo ary dia nopotehany tanteraka i Madagasikara, hoy i Leriva Manahira tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo.

 Tsy azo ekena izany, tsy homena azy intsony ny dimy taona manaraka. Ilazao ny rehetra, hoy ihany ity solombavambahoakan’i Brickaville teo aloha fa tsy misy afaka hanavotra ny firenena afa tsy i Marc Ravalomanana izay tsy maintsy hiverina an-tanindrazana. Nanentana ireo mpiara-dia aminy izy mba hitsangana sy hijoro hatramin’ny farany. Ankoatra izay dia nambaran’i Zafilahy Stanislas fa na inona na inona ho fisehony dia matoky ny Troika sy ny SADC izy ireo, indrindra amin’ny fodian’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana. Araka ny fanazavany dia nivoaka matetika i Andry Rajoelina tato ho ato.

Teo aloha ny tany New York, avy eo Andohatapenaka, ny fizarana mariboninahitra ho an’ireo tompon’andraikitry ny Fokontany, ny tany Toamasina. Tsy tongatonga ho azy izany. Fantany fa tsy azo tsinontsinoavina izany Marc Ravalomanana izany raha tonga eto ary efa tsy azo hiodivirana koa ny fahatongavany ka miezaka manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana izy. “Ampiasao ireo sefom-pokontany fa dia hamita-tena ianao”, hoy i Zafilahy Stanislas.

 

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT