Toy ny sabotsy rehetra dia mihodina amin’ireo fikambanana sy vondrona isan-tsokajiny ny fanomanana ny hetsika etsy amin’ny Magro.
Taorian’ny Komity miaro ny fiainam-bahoaka na ny KMFB dia anjaran’ireo mpandala ny ara-dalàna avy amin’ny Faritra manodidina an’Antananarivo toa an’Atsimondrano, Avaradrano, Manjakandriana, Antsirabe no nikarakara ny hetsika tamin’ny sabotsy lasa teo. Samy nanana solontena avokoa ireo avy amin’ny manodidina. “Raha sakanana tsy avela hody eto Ravalomanana hahita ny tena tolom-bahoaka eto”, hoy ny solontenan’Antsirabe izay tonga teto Antananarivo. “Raha misotro ny aleoko maty Rajoelina amin’ny fanakanana an-dRavalomanana dia hisotro ny aleoko maty koa isika hampody azy”, hoy ny solontenan’i Manakara.
“Aorian’ny 18 oktobra ka raha tsy misy ambara ny SADC dia vita hatreo ny an’ny SADC eto Madagasikara”, hoy kosa ny avy any Moramanga. “Ambony kosa ny moraly fa tsy maintsy hifankahita amin’i Dada isika ato ho ato”, hoy indray ny avy any Alaotra. Ampahany tamin’ireo lahateny teny an-kianja ireo, izay velom-panantenana sy naneho fahavononana ny amin’izay mety hitranga aorian’ny 18 oktobra. Niray feo ireo rehetra nandaha-teny fa tsy hisy fifidianana sy zavatra milamina raha tsy tafody eto i Marc Ravalomanana. Tsy Antananarivo irery manko no marary, hoy izy ireo fa ny any amin’ny Faritra ihany koa dia mijaly ka hifanome tanana hahatanteraka ny tanjona hiombonana dia ny fiverenany. Fantatra moa fa efa tonga eto an-drenivohitra ny ankamaroan’ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Hisy ny fivorian’izy ireo ka hifantoka indrindra amin’ny fanomanana ny fiverenan’i dada eto an-tanindrazana izany.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.