Politique

Mpanao sonia tondrozotra Ny kibay an-kelika ihany


  • Zoma 26 Oktobra 2012

Mbola samy miandry izay ho fanapahan-kevitry ny SADC ny rehetra taorian’ny fandalovan’ireo iraka sivily sy miaramilany teto amintsika.

 Nandritry ny hadimiana teo ho eo moa no nifampiresahan’ireo iraka ireo tamin’ny ankolafy rehetra na ireo mpomba na mpanohitra ny FAT, na ireo mpomba na mpanohitra ny hiverenan’ny filoha teo aloha eto an-tanindrazana. Niaraha-nahafantatra fa ireo manamboninahitra ambony mitondra ny tafika ankehitriny dia efa nilaza ankarihary fa tsy ankasitrahan’izy ireo ny fodian’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana.

Nisy ihany koa ireo sivily hafa ankoatra ny TGV sy ny UDR-C. Araka ny loharanom-baovao dia nihaona sy nifampidinika tamin’ny SADC io vondron’olona io ka nanohitra mafy ny fodian’i Marc Ravalomanana kanefa ny ampahany amin’izy ireo dia nanao sonia ny sori-dalana ary misy koa avy amina ankolafy milaza fa mitaky ny hiverenan’ireo sesitany politika rehetra an-tanindrazana ho an’ny fihavanana. Araka ny loharanom-baovao dia nitabataba mihitsy izy ireo nilaza tamin’ireo iraky ny SADC fa hikorontana ny tany sy ny fanjakana raha mody eto Ravalo. Izay izany ilay hoe tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany, ka fitoniana inona no hanjaka eto ?

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT