Mahita izahay, hoy ireo mpanao politika nametraka ny Repoblika faha-4 ka mitambatra ho iray ankehitriny izay nitafatafa fohy tamin’ny mpanao gazety tetsy Soanierana omaly, fa tadiavin’ny sasany hosimbana amin’ny fitiavan-tenan’olon-tokana izany Repoblika faha-4 izany ka mbola misy dia misy ny alaim-panahy hampihatra ny bodongerona eto amin’ity firenena ity fotsiny izao.
Mikasika ny fanendrena praiminisitra izay tadiavin’ny MAPAR hatao tery vay manta fotsiny tsotra izao fa hoe maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena izy ireo ary nibodo ny toeran’ny birao maharitra teny ka avy amin’izy ireo ny ho praiminisitra dia milaza ireto mpanao politika tompon’ny fametrahana ny Repoblika faha-4 ireto, fa manolotra anaran’olona fotsiny no anjaran’ny MAPAR fa ny filoham-pirenena no manana ny fahefana feno hanendry izay praiminisitra hitany fa hanatanteraka ny programan’asa efa nilokalokany tamin’ny fampielezan-kevitra sy ny politika ankapoben’ny fanjakana efa voafaritra. Miantso ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina izy ireo mba tsy hofehezin’ny politikan’ny MAPAR fa hofehezin’ny fianianana nataony teo Mahamasina. Aminay, hoy ireto mpanao politika ireto, dia tsy mpamadika izany ny filoha Rajaonarimampianina raha nifandray tamin’ny ankolafy Ravalomanana. Fa iza moa no niara-niasa naharitra tamin’izy ireo tao anatin’ny tetezamita ka tsy nolazaina ho mpamadika ? “Aza mihaino ny fampitahorana sy fampihorohoroana ianao prezidà fa tendreo izay praiminisitra hitanao fa mahafeno ny fepetra hanatanteraka ny programan’asa hanasoavana ny vahoaka Malagasy”, hoy izy ireo namarana ny fanambarana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.