Politique

Mpanao politika Malagasy Maro ireo niova taranja


  • Talata 12 Mey 2020

Marobe ireo mpanao politika ambarantsika eto amin’ny Tia Tanindrazana fa niova taranja tamin’ity fitondrana Andry Rajoelina ity.

 

 

 

Tsy hoe niova taranja ara-panatanjantena araka ny mahazatra ny rehetra anefa no tiana ambara fa niova taranja na loko ara-politika amin’ny ankapobeny. Singanina manokana amin’izany ireto olona 4 lazaina manaraka ireto izay anisan’ireo tsy afa-miala amin’ny fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka sy miseho mandrakariva amin’ny haino aman-jery maro noho ny andraikitra ambony tanany eto amin’ny firenena na eo amin’ny tanàna misy azy ireo ihany koa. Ao izany Atoa Vy Vato Rakotomaditra Rakotovao izay mpikambana tao amin’ny antoko TIM teo aloha ka voatendry ho goverinoran’ny Faritr’i Vakinankaratra miaraka amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny . Ao koa Atoa Razafindrafito Lova Narivelo solombavambahoaka filohan’ny vondrona parlemantera HVM tamin’ny fitondran’ny filoha Rajaonarimampianina Hery lasa ho goverinora ihany koa fa any amin’ny Faritr’i Matsiatra Ambony miaraka amin’ny fitondram-panjakana koa ankehitriny. Ao koa ireo solombavambahoaka TIM teo aloha, Atoa Arinosy Razamfimbelo Jacques sy Rajaoson Mamy lasa niverina ho delegen’ny boriborintany voalohany sy filoha lefitra faharoan’ny tanànan’Iarivo miaraka amin’ny ben’ny tanàna IRD Naina Andriantsitohaina.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT