Na ady, na tolona, na aretina, na krizy, na fahavaratra, na ririnina, maraina, atoandro, hariva, alina, dia eo foana ny mpanao gazety. Tena vavolombelon¬'ny tantaram-pirenena.
Asa mila sy finiavana sy fandavan-tena ny asa fanaovan-gazety, ka sady miasa ny vantana no mbola mila mandalina sy mikaroka ihany koa ny saina. Tsy mora ny sedra iainana sy lalovana, saingy mibahan-toerana sy zary lasa fanoitra hatrany kosa ny fitiavana ilay asa, hany ka tsy mitandro hasasarana ny mpanao gazety izay manovo zava-baovao mialohan’ny sarambabem-bahoaka foana amin’ny ankapobeny, ary mizara izany avy eo. Na hita taratra aza ny lalan-jotran’ny lahatsoratra izay hanasokajian’ny olona hoe manakaiky kokoa ny fanjakana na somary mirona amin’ny fanoherana, dia ny mpitondra mandalo fa ny mpanao gazety mitoetra eo hatrany. Adihevitra vao tsy ela rehefa nisy ny fanampiana izay nisy aza ny tsy nahazo sy tsy noraharahiana ny hoe: ny mpanao gazety ve dia sahirana? Ny finiavana sy ny fitiavana ilay asa sy ny tontolony no zava-dehibe, ary raha eto Madagasikara dia ambany aloha hatramin'izao ny karaman’ny mpanao gazety mitaha amin’ny sehatr’asa maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.