Politique

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja


  • Alakamisy 09 Aprily 2020

Taorian’ny fampakarana ny raharaha sy ny fangatahana famotsorana vonjimaika ny mpanao gazety,

 

 

 Arphine Helisoa, izay notanana am-ponja vonjimaika nanomboka ny 4 aprily lasa teo dia fantatra omaly fa nolavina ihany koa ny famotsorana vonjimaika ity talen’ny famoahana ao amin’ny gazety Valosoa ity. Raha tsiahivina dia antony nitazomana ity namana ity ny resaka fanelezana vaovao tsy marina sy fandrisihana fankahalana ny filohan’ny repoblika. Tsy fantatra mazava, raha ny fanazavan’ny mpisolovava, Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, moa ny anton’ity fandavana fangatahana famotsorana vonjimaika ity. Manahy ny tenany fa antony politika izany. Hisy ny fanazavana misimisy ho ataony mikasika ny toe-draharaha ho amin’ity anio ity, raha tsy misy ny fiovana, fa etsy an-kilany dia andrasana ihany koa ny hetsika mety ho tarihin’ny avy eo anivon’ny olafitry ny mpanao gazety ho firaisankina ao anatin’izao raharaha izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT