Politique

Mpanao famotorana Tsy te hijabaka amin’ny Pr Zafy Albert


  • Alarobia 01 Desambra 2010

Mikatso amin’izao fotoana izao ny famotorana mikasika ilay raharaha BANI teny Ivato. Araka ny loharanom-baovao dia manahirana ny zandary ity raharaha ity noho izy mahakasika ny filoha teo aloha Zafy Albert sy ny praiministry ny FAT, Monja Roindefo.

Misy amin’ireo mpanao famotorana mantsy no misy manindry na tsy mbola misy taratasy milaza izany avy amin’ny fitsarana aza ny amin’ny tokony hisamborana an’ny Pr Zafy Albert. Misy amin’ireo zandary noho izany no tohina satria araka ny voalazan’izy ireo dia raiamandreny lehibe eto amin’ny firenena ity olona voakasika ity ka sarotra amin’izy ireo ny hisambotra na hanao famotorana azy. Ny Pr Zafy koa moa nisy fotoana nilazany fa tongava manantona azy izay mitady azy, raha vao nandeha ny fanadihadiana manodidina iny raharaha BANI, ka voatonontonona ny anarany fa isan’ireo hanaovana fanadihadiana ny tenany, taorian’ny antso ho an’ny firenena, nataony ny 15 novambra 2010, ka nanaovany antso avo tamin’ny tafika sy ny fitsarana handray andraikitra fa “Tsy milamina ny tany, mandry tsy lavo loha ny Vahoaka, tandindomin-doza ny firenena, manjaka ny jadona sy ny kolikoly” ary ‘“manjaka ny fankahalana sy ny valifaty”.

Etsy ankilan’izay araka ny fantatra dia nandefa taratasy teo anivon’ny zandary ihany koa ny praiministra Monja Roindefo fa izy no mbola praiministra. Nalefan’ny zandary eny anivon’ny Fitsarana moa io taratasy io araka ny fantatra. Asa na misy ifandraisany izany rehetra izany fa hatramin’ny omaly dia tsy navoakan’ny fampanoavana ilay «délégation judiciaire» tadiavina etsy sy eroa, ahafahana manadihady ireo olona ireo. Ho hita eo ny tohiny. 

Rakoto Maxime
 
Sary : Ramisandrazana miresaka amin’ny Pr Zafy Albert taorin’ny nanaovan’ity farany antso ho an’ny firenena tao amin’ny «Villa Elisabeth», ny 15 novambra 2010.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT