Politique

Moussa Soalihy “Tsy mbola governemanta hanomana 2023 io”


  • Talata 17 Aogositra 2021

Isan’ny tiako amin’ity governemanta vaovao ity dia ny hoe tsy betsaka intsony ny avy any ivelany ao anatiny, hoy ny sekretera jeneralin’ny faribolam-pandinihana Miozolimanina, Moussa Soalihy.

Isany nampimenomenona ahy foana, hoy izy, ny hoe aleo mba olona mahalala ny zava-misy eto no atao minisitra. Tsy fantatro koa moa hoe ny sisintany ve no tsy misokatra dia izay no antony sa ahoana? Hita ao koa ny solontenan’ny faritra miisa 6 ary zava-dehibe amin’ny fanaovana politika eto izany na dia iray ihany aza ny Malagasy. Misy olona tena niara-nitolona tamin’ny filoham-pirenena koa ao. Isany tsara koa ny fahasahian’ny filoham-pirenena nanala ireo minisitra nampimenomenona vahoaka. Nisy minisitra nametraka ny tenany ho “intouchable” na hoe tsy azo kitihina tao ary tsy fantatra hoe iza no ao ambadika fa tena niavonavona no tsy azo iresahana mihitsy kanefa dia iny tafala iny ihany moa. Tsy mbola governemanta hanomana 2023 io raha ny fahitako azy. Ny tena hamaha haingana ny olam-bahoaka hiaraha-mahita no fahitako an’io. Ohatra izao ny mikasika ny minisitry ny varotra izay nampimenomenona noho ny fiakaran’ny vidim-piainana dia nametrahana ny minisitra vaovao Edgard Razafindravahy izay fantatsika fa olona ela nilalaovana tamin’ny sehatry ny orinasa ary mahalala bebe kokoa ny tena marary ny vahoaka satria efa nitety faritra nihainoana izany. Mitantana tetikasa ho fanorenana ifotony koa izy. Manana olana amin’ny resaka famatsian-jiro sy ny manodidina azy koa ny vahoaka Malagasy dia napetraka ho ao amin’izany, ohatra, I Andry Ramaroson, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT