Miteraka resabe hatramin’izao ity resaka trafika volamena 73,5 kilao ity, hoy ny
mpamakafaka raharaham-pirenena, Moussa Soalihy. Ny mampalahelo ao anatiny dia hoe mandehandeha ho azy fotsiny ny resaka harem-pirenentsika. Io moa izany hoe efa tany Afrika atsimo ilay izy no tratra. Ny dikan’izay dia misy zavatra mibanaka araka ny fitenin’ny tanora eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ka tokony handraisana fepetra. Ny tena mampalahelo sy manahirana ahy dia ilay fitonotononana anaran’antoko na vondrona anatin’ilay izy. Tsy fananana fahatsorana ara-tsaina na “honnêteté intellectuelle” izany amiko. Ilay olona voaroiroy ao anatiny no tokony ho tononina fa tsy tokony hisy idirana antoko. Na DHD io na RMDM na IRD na TIM na Mapar dia tsy misy idiran’ireny amina fanondranana. Na antoko mpanohitra na mpanohana dia natao hanabe ho olom-banona fa tsy ho amin’izany. Aza disoina ny andraikitry ny antoko politika satria politika no itondrana firenena. Lasa mandoto ny endriky ny politika ilay izy fa ilay olona tenenina. Raha izaho Moussa Soalihy no nanao ny tsy mety dia izaho resahana fa tsy ny finoako! Ny fanehoan-kevitra ao anaty Facebook moa no tena ahitana izay tsy fananana“honnêteté intellectuelle” fa lasa “politique anecdotique à la généralisation” na ilay antsointsika hoe safo be mantsina fotsiny izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.