Monja Roindefo

> Tsy tanteraka ny tolona notarihiny


  • Sabotsy 08 Febroary 2014


Mpitaritolona teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey tamin’ireny 2009 ireny i Monja Roindefo. Na dia tsy mifanara-kevitra amin’i Andry Rajoelina intsony aza ny tenany dia tsy manadino ny manatitra fehezam-boninkazo eny Ambohitsorohitra ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin’ny 07 febroary 2009 iny. Nilaza i Monja Roindefo omaly fa nitady ny fanovana tena izy ny vahoaka Malagasy, nitaky fahalalahana sy fanajana ny zo ary ny mety indrindra amin'ny fitsinjarana ny harem-pirenena. Nivadika ny pejy ka ny antoko Monima tarihiny izay nitarika izany fanovana tena izy izany, dia efa nanao voady tamin'ny vahoaka, ka raha tsy tanteraka izany dia mbola vonona hatrany ny tenany hijoro hanatanteraka ny adidy aman’andraikitra takian'ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Miandry ny fivoaran'ny fizotry ny raharaham-pirenena sy ny tantaram-pirenena moa ity praiminisitra teo aloha ity. Fa omaly ihany koa no nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao teny Ampasanimalo ireo mpikambana Monina izay nahitana solontena avy any amin'ny faritra maro.

 

 Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT