Politique

MONIMA Antananarivo “Tsy mahavaha olana ny fitondran-dRajoelina-Beriziky”


  • Alatsinainy 19 Novambra 2012

Ambohipihaonan’ny mpikatroka MONIMA tetsy amin’ny LTC Ampefiloha omaly alahady 18 novambra 2012.

 Nanatanteraka seminera tao ny Federasiona Vonjimaika Antananarivo, nandraisan’ny mpikambana miisa dimampolo sy efajato, avy amin’ny boriborintany enina sy ny solontenan’Avaradrano, Atsimondrano ary ny Tanora MONIMA Analamanga anjara. Niatrika izany i Monja Roindefo filoha nasionalin’ny antoko, izay dia an-tongotra niainga avy ao amin’ny foiben’ny antoko no nihazoany an’Ampefiloha. Nobanjinina nandritra ny seminera ny hoe : Ny antoko Monima manoloana ny fahasahiranan’ny vahoaka eto Antananarivo sy eran’i Madagasikara» sy manoloana «ny tetezamita Andry Rajoelina – Beriziky”.

Taorian’ny fanehoan-kevitra sy adihevitra ary fanazavana samihafa dia niaiky ny mpivory rehetra fa ratsy tantana ny firenena ankehitriny ka tsy voaaro ny ain’ny olom-pirenena sy ny fananany, tsy misy ny asa ka sahirana na ny tanora na ny olon-dehibe, anjakan’ny tsy fahamarinana ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany, ny ala… tsy afaka mitsabo tena sy mampiana-janaka ny vahoaka ka toa mandatsa azy ny “hopitaly manara-penitra” tsy natao ho an’ny besinimaro, very hasina ny mpampianatra amin’ny ambaratonga rehetra. Nahamarika ny mpandray anjara fa tsy mahavaha olana ny fitondran-dRajoelina-Beriziky ka mila fanovana ny Malagasy. Eo anoloan’izao krizy lalim-paka sy marolafy izao dia nanapa-kevitra ny mpizaika fa tsy hitazam-potsiny ny MONIMA, fa handray andraikitra hanatanteraka ny fanovana tena izy takian’ny vahoaka sy ny vanim-potoana. 

 
Momba ny krizy politika ankapobeny tsy voavaha hatramin’izao kosa dia manamafy ny MONIMA fa tsy izao fitantanana ataon-dRajoelina sy Beriziky izao ny fanovana ilain’ny Malagasy : tsy misy demokrasia, tsy misy finiavana hizotra mankany amin’ny fifidianana madio. Nanamafy ny mpikambana MONIMA sy ny mpankasitraka azy fa vonona hiatrika fifidianana saingy mitaky ny fifidianana tena madio, ahazoan’ ny Malagasy misafidy ny sori-dalana sy ny olona tiany hitondrana ny firenena. Raha sanatria ka tsy tanteraka izany dia tsy maintsy voatery mandray andraikitra ny vahoaka Malagasy mitaky fanovana, hoy izy ireo. Nohamafisin’ny mpivory nandritra ny ity seminera ity ny firotsahan’ny Filoha nasionalin’ny Monima, Monja Roindefo amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika hanolorany ny vinavinam-piarahamonina “Madagasikara mahafinaritra ho an’ny Malagasy”. 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT