Politique

Mompera Alain Thierry Raharison «Matahotra fifidianana ny mpanao politika»


  • Zoma 09 Novambra 2012

Matahotra fifidianana ny mpanao politika amin’izao fotoana ka izay no mbola mampisalasala azy ireo, hoy Mompera Alain Thierry Raharison, Sekretera jeneralin’ny “Justice et Paix”, raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety nandritra ny fanokafana ny fanofanana nomena ireo mpanentana avy ao amin’ny Diosezin’Antsirabe ny talata 07 novambra lasa teo.

 Nambarany fa anisan’ny olana amin’ireo mpanao politika amin’izao fotoana ny ratsy vitany teto amin’ny firenena izay hitan’ny olona ka matahotra ny tsy ho lany amin’ny fifidianana izy ireo rehefa tena tsarain’ny vahoaka izay tompon’ny fahefana. Raha ny marina, hoy ihany ity mpandinika ny fiainam-pirenena ity dia azo antoka 100% ny tokony hisian’ny fifidianana. Efa miroso amin’izany mantsy ny sehatra iraisam-pirenena, efa mandeha ny fanisam-bahoaka ka inoana fa hisy ny fifidianana. Averiko fa ny mpitondra amin’izao, indrindra hatramin’ny nisian’ny fiaraha-mitantana dia matahotra avokoa ny hisedra ny safidim-bahoaka satria efa samy nangalatra avokoa.

Fa nasian’ity pretra katolika ity resaka ihany koa ny tranga miseho any amin’ny ilany atsimon’i Madagasikara ka nilazany fa adin’ny tambajotran’ny dahalo io fa tsy misy asan-dahalo izany. Nambarany fa fantatry ny mpitandro filaminana daholo ny lalana alehan’ny omby ary manomboka avy eny amin’ny Kaominina hatrany amin’ny ministera dia tafiditra ao avokoa fa tsy misy manjavona ho azy izany. Ny dahalo any an-tsaha dia fitaovana faran’izay bitika toy ny rantsan-tanana fotsiny. Nohamafisiny fa misy ny tsy rariny toy fanaovana vonomoka ny mponina. Ny zandary no tokony hanao ny asany. Miainga amina fanadihadiana izany ary atolotra ny fitsarana izay tratra dia izay ihany. Nambarany fa izay no anton’izao fanofanana ny mpanentana eo anivon’ny «Justice et Paix» toy izao mba hahafahan’ny olona mahafantatra ny raharaham-pirenena araka ny baikon’ny synaodan’ny fiangonana aty Afrika hoe: «Fiangonana manompo ny fampihavanana sy ny rariny ary ny fiadanana».

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT