Araka ny nambaran’ny mompera Alain Thierry Raharison mpitarika ny fikambanana Katolika “Justice et Paix” dia mbola matahotra ny hiatrika fifidianana ireo mpanao politika, ka mitady izay hevitra rehetra hampihemorana ny tetiandro efa napetraka.
Amin’io mantsy no tena hitsaran’ny vahoaka ny antoko politika sy ireo mpanao politika ka hanapahany izay tena mendri-pitokisana amin’ny fitantanana ny firenena, hoy izy koa mety mbola misalasala ny amin’ny fiatrehana izany ireo mpanao politika koa nisafidy ny haka bahana tsara aloha. Ho an’ny «Justice et Paix” koa anefa dia tsy mety ary tsy ho zakan’ny vahoaka intsony raha mitatra lava loatra ny fitondrana tetezamita izay efa hiditra amin’ny faha telo taona nijoroany amin’ity 2011 ity. Nisarika ny sain’ny rehetra ihany koa ny mompera Alain Thierry Raharison ary nilaza fa tsy maintsy misy takalony, na tambiny foana ireo karazam-pifanarahana atao, na ny eto an-toerana izany na ny any ivelany.
Tsy milaza ny tena marina momba io tambiny io mihitsy anefa fa manafina izany fatratra ireo mpanao politika, hoy izy. Niantso ny mpanao politika anefa ny avy ao amin’ny «Justice et Paix» mba hatsahatra amin’izay ny ady seza satria mety hiteraka zavatra hanahirana eo anivon’ny fiarahamonina atsy ho atsy izany. Ny fikambanana «Justice et paix” moa dia anisan’ireo manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ary maneho ny heviny ny amin’ny zava-mitranga eo amin’ny tontolo politika, ka ho azy ireo dia antony tena mahatonga ny fahasahiranana sy krizy miverina matetika eto amintsika ny herin’ny vola sy ny kolikoly. Koa ho an’ity fikambanana ity dia mila miova ny Malagasy ary miala amin’izany fomba ratsy izany, izay hita amin’ny sehatra rehetra na any amin’ny fanjakana io na any amin’ny sehatra tsy mainkina, eny fa hatrany am-piangonana aza, raha toa ka te handroso marina ho any amin’ny tsara kokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.