Nandray ireo ben’ny tanàna voafidy tao amin’ny distrikan’Antsohihy, faritra Sofia, tao amin’ny Lapan’ny Faritra Mahajanga be ny governoran’i Boeny, Mokhtar Andriatomanga, omaly
. Nanatrika izany ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, faritany Mahajanga, Lalao Rahantanirina sy ny Depioten’i Soalala. Dinidiniky ny mpiralahahy sy fifanakalozana traikefa, noho ny governora efa avy ben’ny tanàna no nisy teo amin’ny roa tonta, ankoatra ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireto ben’ny tanàna ireto, hoy ny fampitam-baovao. Anisan’ny hafatrafatra nomen’ny governora ireto ben’ny tanàna voafidy tao Antsohihy ireto ny tokony hisian’ny fifankazahoana sy firaisankina eo amin’ny samy olom-boafidy ary ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry. Lakilen’ny fampandrosoana izany, hoy hatrany ny tenany, ary antoka eo anatrehan’ireo vahoaka izay nifidy fa manaja azy ary mitia azy ny mpitondra mahay mifankatia sy miara-miasa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.