Antoko politika niorina tany amin’ny taona 1990 ny MMM na Malagasy Mivondrona Mitolona tarihan-dRandriambaomahova Max Halvarie. Feno 21 taona katroka amin’ity taona 2011 ity ny antoko.
Andraikitra faha-2 notanan’ity mpitarika azy ity ankoatra ny naha tao amin’ny MMSM azy tamin’ny fotoan’androny niaraka tamin-dry Satrobory sy Razanabahiny Marojama (1993) ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity ankoatra ny nitarihany ny “Mouvement national pour le candidat Didier Ratsiraka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. “Tsy mba tia mivadibadika palitao na mivadibadi-doko toy ny tanalahy mihitsy izahay fa manaratsy endrika politika izany”, hoy i Max Halvarie, “fa tia fiaraha-miasa amin’ny rehetra kosa hanasoavana ny fiainam-pirenena sy mba hametrahana ny maha-izy azy ny antoko politika. Tsy mankasitraka ny fanoherana be fahatany koa izahay satria tsy tia fandravaravana zavatra”.
Ny fifanatonan’ny samy antoko politika no heverin’ny MMM mahavaha ny olana eto amintsika fa tsy ny resaka ankolafy. Ankasitrahan-dry zareo, araka izany, ny fidiran’ireo ankolafy ao amin’ny fiaraha-mitantana ny firenena fa izay no hampitony ny toe-draharaha eto amintsika. Avela amin’izao kosa anefa ny rafitra efa mijoro fa hohatevenina fotsiny ka ao anatin’izany no hamolavolana ny lalam-pifidianana vaovao, ny resaka famotsoran-keloka, fampihavanam-pirenena ary ny lalàn’ny fifandraisana eto amintsika. Mikasika ity farany dia mandrisika ny mpanao gazety handroso tolo-dalàna any amin’ny CT sy CST sy any amin’ny governemanta ny MMM, mba hodinihana sy havoaka ho lalàna raikitra.
Rehefa fitsipika ho an’ny mpanao gazety dia tokony ho mpanao gazety no mandinika izany fa tsy mpanao mofo sanatria na mpanao zavatra hafa, hoy i Max Halavarie. Farany, hoy ny MMM, rehefa mandinika ny satan’ny mpanohitra dia tokony hodinihana koa ny satan’ny mpanohana ny fitondrana satria misy ny mihoa-pefy amin’ny fampiasana ny haino aman-jerim-panjakana sy ireo tranom-panjakana hivorian’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.